Vaovao farany Vondrom-piangonana anatiny

FFKM Toamasina /Fihaonambe

FIHAONAMBEM-PARITANY

Hateloana no nanatanterahina ny Fihaonambem-paritany FFKM teto Toamasina, tao amin’ny FJKM
TRANOVATO FITIAVANA, niarahan’ireo raiamandreny ara-panahy (4) efatra mirahalahy eo anivon’ny
FFKM izay tarihin’ny Filoha amperinasa, Prezida Synodaly NIRINARISON Emile Johnson William,
Mpitandrina. Nisy ny solontena avy any amin’ny Foibe FFKM «Révérend RANAIVOARIVELO Vonjisoa
Tahiana», Tonian’ny FFKM Foibe. Nahitana ireo mpitondra Fanjakana avy eto an-toerana: Atoa
AMBININTSOA Jean José, Préfet-n’i Toamasina, Atoa RAFIDISON Richard Théodore, Governoran’i
Toamasina, Atoa RAKOTONIRINA Nantenaina, Ben’ny Tanàna; Ary ireo antokom-politika misy eto an-
toerana sy ny Fiarahamonim-pirenena « Société civile».
Nisy ny fandalinana ara-tSoratra Masina: «FIANGONANA MPAMINANY» tarafina ao amin’ny «Jeremia».
Famelabelaran-kevitra niompana tamin’ny hoe: “ny Ekionemisma sy ny Fahavanana Malagasy miorina
amin’ny 4F”; -“Fampahafantarana momba ny FFKM sy ny andrimaso FFKM”; – “Fijerena ny satan’ny
andrimaso sy tetikady fametrahana azy”.
Ny andro fahatelo no nanaovana ny angon-kevitra niainga avy tamin’ny Lohahevitra (4) efatra momba ny
FFKM, Politika, Fiarahamonim-pirenena « Société civile», ny Tontolon’ny toe-karena sy Sosialy eto
amin’ny Faritra sy manerana ny Nosy.
Nahatratra 100 mahery ny isan’ireo mpizaika ary tao anatin’ny fahavitrihana sy finiavana tanteraka no
niatrehana ity hateloana ny fihaonambem-paritany FFKM Toamasina ity.

Nirina ( Radio fahazavana Toamasina)

Perikopa 2025

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 30. Karemy. IV - Asa Fifandraisana FJKM
Joela 2. 12-17 | Jaona 12, 34-36 | Apokalipsy 2. 1-7

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 06. Karemy V
2 Samoela 22. 47-51 | Matio 26. 57-66 | 2Korintiana 3. 1-6

| | 13. SAMPANDROFIA - Sampana Dorkasy
Salamo 84. 1-7 | Marka 11. 15-17 | Asan'ny Apostoly 14. 11-18

| | 17. ALAKAMISY MASINA
Fitipiana 3. 16-21 | Matio 26. 47-56 | 2Korintiana. 1. 3-7

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina