HAFATRA KOMITY FOIBE – SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA
FIANGONAN’ I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA
“Miorena tsara, aza miova” IKor 15, 58b
« Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany” Mat 5, 47b
MAMRE Sabotsy Namehana, 06 Febroary 2025
Ho an’ ny Synodamparitany, ny Vondrom-Paritany Laika,
Ny Mpitandrina, ny Vondrona Fototra Laika.
ANTONY : HAFATRY NY KOMITY FOIBE NIVORY TETO SABOTSY NAMEHANA NY 04- 05- 06 FEBROARY 2025
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompontsika !
Manantitra ny fiarabana ho antsika Kristianina rehetra nahavita soa ny Noely 2024 sy nahatratra ny taona vaovao 2025 . «Ny mason’i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny fiafarany » ny Déo 11 : 12b no entina hiarabana sy hirariana soa ho antsika rehetra vahoak’ Andriamanitra.
Misaotra ny Tompo isika fa tanteraka soamatsara ny Komity Foibe ny Sampana Fivondronana Laika ny 04 – 05 – 06 Febroary 2025 teo MAMRE Sabotsy Namehana Synodamparitany Iarivo Avarandrano (SPIA 19) izay notarihin’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana : Andriamatoa ROBSON RADO Lalaina ; Mpitandrina sy Andriamatoa RATSIRAHONANA Lalaina ,Mpiandraikitra Foibe Mpiahy ary ny Biraon’ny Sampana Fivondronana Laika sy ny Tonia.
Ireto no hevitra notapahina sy nisongadina tamin’izany :
- Fanatanterahana ny VINA ny taom-piasana vaovao : LAIKA MASINA – MIOMBONA -MIASA ( Lev 19 :2 ; II Kor 2 :16 ; Efe 4 :16).
- Ampaherezina isika amin’ny fanohizana ireo soritr’asa ny Sampana Fivondronana Laika :izay efa natomboka :
- Centre d’ Acceuil : tsangambato faha 45 taona any Mahajanga
- LAMAKO : Laika Miady amin’ny Kolikoly.
- LOHARANO
- Fankatoavana ny tetibola 2025 sy ny tetik’asa.
- Ho tanterahina any ANTSIRABE Synodamparitany Atsinanana Ankaratra Miaradia SPAAM 08 ny fihaonamben’ny Laika ny taona 2026 koa entanina sy ampirisihina isika hiomana sahady.
- Misokatra ho antsika Laika rehetra indray ny firotsahana ho isan’ny Vaomiera Maharitra tongava manatona ny birao SFL ao amin’ny varavarana faha 502 Foibe FJKM.
- Mitohy ny fankalazana ny taom-baovao sy ny Alahadin’ny SFL koa entanina ny Vondro-paritany Laika (VPL) sy ny Vondrona Fototra Laika ( VFL) rehetra samy hanao zava-dehibe izany asa iombonana izany.
- Entanina isika hanjifa sy iaina ary hanaparitaka ny Alimpiambenana sy ny Boky herinandro mihoatra ny sasany , ary ireo boky samihafa vokarin’ny SFL ( fananganana VFL, Hevitry ny Zioga,sns…) hanamafisana ny fikolokoloana antsika Laika.
- Hamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fiombonana amin’ny Prézida Synodaly (PS), Vondrom-paritrany Laika (VPL), ny mpitandrina ary ny Vondrona Fototra Laika ( VFL ).
- Hampiarina ny fanapahakevitry :
- Zaikabe
- Synoda lehibe
- Hitady loharanombola maharitra eo anivon’ny Sampana.
- Ho tanterahina any ANTALAHA Synodamparitany Sambava SP 16ny Komity Foibe any Sampana Fivondronana Laika ny taona 2026 koa aoka hanohana ny Komity Foibe hiatrika izany ny Vondrom-paritany Laika.
- Ampahafantarina isika fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia hankalaza ny faha 20 taona nandraisana andraikitra teo amin’ny ratsangamaika ny Sampana Fivondronana Laika an’i Ramatoa RAMANANA Fiainantsoa sy ny ankohonany koa hifampivavaka ho azy ireo isika.
Manonona ny fiadanan’i Tompo ho aminareo sy manao veloma finaritra indrindra.
Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Sampana Fivondronana Laika sy ny Tonia.
Ny Filoha,
RAMANANA Fiainantsoa