arsiva Mofonaina

Zoma, faha 18 Aprily 2025

Sal46,1-3 / Hira: 100 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira: 98

« …Dia maizina ny tany rehetra… » Rehefa novonoina Jesoa Ilay fahazavan’izao tontolo izao dia aizina tanteraka no vokatr’izany. Misy akony eo amin’ny voahary manontolo ny fanolorantenan’i Jesoa Tompo. Zava-doza no mitranga raha ny fahazavana mihitsy no iniana vonoina. Ny vokatr’izany dia tsy inona fa fiainana ao anaty fahajambana, tsy ahitana lalan-kombàna, fikorontanana. Fantaro fa na iza na iza mbola tsy nanolo-tena ho an’i Jesoa dia mbola ao anaty aizina hatrany, lavitry ny hazavana.

« Nahoana no dia nahafoy Ahy ianao? » (and.46). Nitondra ny otantsika teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa. Tsy misy fomba hafa hampitsaharana ny fahatezeran’Andriamanitra Ray afa-tsy ny fanolorany ny Zanany lahy tokana.

Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra no nirahina, natolotra, tsy nohenoina raha niantsoantso. Izany dia noho ny fitiavana sy fanavotana antsika. Tsarovy fa tena sakana amin’ny valim-bavaka ny ota, ireo fahazaran-dratsy. Soa fa teo Jesoa llay tsy misy kileına, kanefa dia nanaiky hitondra ny otantsika.

« Ary niantso tamin’ny feo mahery Jesoa dia nanolotra ny fanahiny » (and 50): Teo amin’ny hazo fijaliana no nanehoan’i Jesoa ny fitiavana lalina antsika. Efa nilaza Izy fa izay mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany no tena manana fitiavana lehibe sy marina tokoa (Jao 15,13). Izy ihany no nañolotra ny ainy. Notanterahany an-tsitrapo izany ho ahy sy ho anao.

Inona avy ireo zava-tsarotra tsy maintsy natrehan ‘i Jeso?

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 18. ZOMA MASINA
Salamo 22. 1-8 | Matio 27. 45-56 | Hebreo 5. 7-10

| | 20. PASKA
Daniela 6. 26-29 | Matio 28. 1-17 | Apokalipsy 2. 8-11

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina