Nentin’ny olona ity lehilahy jamba ity hanatona an’i Jesoa , ary ireto nitondra azy ireto dia nino tokoa fa raha kasihin’i Jesoa fotsiny ilay jamba dia hahiratra . Io finoana nananan’ireo nitondra azy dia ampy nahatonga an’i Jesoa handray ilay lehilahy sy hitantana azy ho any amin’ny fahiratana . Manàna finoana fa hitan’i Jesoa izany .
2-Hikarakarany izay tonga eo Aminy (and23)
« Ary nitantana ilay jamba » i Jesoa , izany hoe: noraisiny an-tànana ity lehilahy tonga eo aminy ity , tsy nailiny , fa nanehoan’i Jesoa ny heriny na dia tany ivelan’ny tanàna kosa aza no nanasitranany azy . Ny hevitry ny teny hoe : tànana mantsy , ankoatry ny hoe : fanampiana dia teny fampiasa ilazana ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra ary ny asa ataony koa. Eto izany dia mahatsapa tanteraka ny herin’i Jesoa mandray an-tànana azy ity lehilahy jamba ity , na dia fanasitranana miandalana aza no hita eto . Io fanasitranana miandalana io koa anefa dia nentin’i Jesao hisarika ny sain’ny mpianany hahalala fa Izy no Mesia .
2-Tsy entiny mizahozaho (and26)
Marina fa misy ny antsoina hoe: tsiambaratelo mesianika ao amin’i Marka , izany hoe: finiavan’i Jesoa tsy mbola te-hiseho , fa etsy ankilany dia tsapa eto ny fanetretenan’i Jesoa , izay na dia manana ny herin’ Andriamanitra aza, nampahiratra ny jamba , dia tsy nampiasa izany hilam-boninahitra na deradera . Porofon’izany no nilazany mba tsy hiditra ao an-tanàna akory ity vao nositraniny ity . Mianara amin’i Jesoa , aza tia sehoseho na mila voninahitra amin’ny asa soa atao.
Fanontaniana:
Maninona ny olona no mbola mila deradera rehefa mba manao soa ny hafa?
1-Mpahary sy mpandamina izao rehetra izao (and35-36a)
Tanisaina eto fa Andriamanitra no nanao ny voahary manontolo , ary na ny masoandro na ny volana eny amin’ny lanitra dia misitraka ny fifandimbiasan’ny mazava sy ny maizina . Izany hoe: izao rehetra izao dia eo am-pelatànany , arindrany hatramin’ny zava-madinika indrindra , manaraka ny lalàna efa nataony ary tsy mivaona izany . Tsy misy ny ohatran’ny hoe: maizina ny andro ka tsy nazava intsony , fa efa raikitra ny fandaminan’ Andriamanitra , ary tsy misy mahay manova izany . Mitaona antsika hatoky an’ Andriamanitra Tompon’ny fahefana amin’izao voahary rehetra izao izany .
2-Tahaka ny fandaminany izao rehetra izao ny famindrampony (and36-37)
Manambar a ihany koa eto Izy Andramanitra amin’ny alalan’i Isaia fa ny fitiavany sy ny famindrampony amin’ny vahoakany dia tahaka ny fandaminany izao rehetra izao , izany hoe: tsy miova ary tsy hikorontana mandrakizay. Amin’ny alina tsy iposahan’ny masoandro dia toy izany ny famindrampony , tsy hanary ny olony mandrakizay ny Tompo . Fa tahaka ny tsy fiovaovann’y lamina efa napetrany no ts hiovan’ny fitiavany sy ny vahoaka nofidiny . Koa na dia nampitandrina ny olonq tsy hanao izay ratsy eo imasony aza Andriamanitra , na dia mikapoka aza Andriamanitra dia mbola mampanantena fitiavana sy famindrampo tsy hita lany . Porofon’io fitiavany io no nanomezany an’i Jesoa Kristy zanany ho an’izao tontolo izao (Jao 3.16).
Fanontaniana:
Maninona àry no mbola tsy matoky ny fitiavan’ Andriamanitra ny olona ?
Miampanga ny mpiandry ny Israely ny Tompo Andriamanitra amin’ny alalan’i Ezekiela amin’ny perikopa ity. Tsy ankasitrahany ny fitiava-tena’izy ireo . Tsy tiany ny fanjakazakana sy fanararaotana ataon’ireo manana fahefana eo amin’ny vahoakany . Voaresaka eto ireo tomponandraikitra ara-pivavahana izay variana manangona ho azy aminn’y tsy fahamarinana ka manadino ny asa fanompoana tena nanirahana azy ireny : hitsara azy ireny ny Tompo , ny hevitry ny eny hoe: hitsara eto dia hoe : hamaly azy araka ny asany na tsy hampiala maina azy ireo noho ny tsy fahatanterahany araka ny tokony ho izy ny andraikitra makadiry napetraka taminy .
2-Manome fiadanana ny tsy manan-tsiny (and 24-25)
Esorin’Andriamanitra tsy ho mpiandry ny olony intsony ireo variana manatavy tena , araka ny efa hita teo aloha fa hanome « mpiandry » vaovao Izy, mpiandry tsy hanao ny fanao ratsy niainan’ireo teo aloha fa hitondra fiadanana ho an’ny ondry tokoa , hanome fiainana ho azy ireo.Ao anatin’izany dia mampanantena Andriamanitra fa handry fahalemana ny ondriny , satria eo Izy ho Andriamaniny ary mpanapaka na mpiandry araka ny sitrapony rahateo no apetrany hitondra ny ondry , dia hanaraka amin’izany ny fiadanana , ka hampandry fahizay na dia any an’efitra aza, hilatsaka amin’ny fotoany ny ranonoram-pitahiana. Koa ireo ondry izay voatosika sy voailika dia hisitraka fitahiana kosa. Sitrahan’ny mino ao amin’i Kristy , mpiandry tsara io fiadanana io.
Avy nosamborina sy natao an-tranomaizina ny apostoly eto nefa nafahan’ Andriamanitra taminn’y fomba mahagaga, ary indreo mitoriteny eny an-kianjan’ny tempoly .Manao ny iraka nampanaovina azy ireo .Hitantsika eto fa :
Ny tena irak’i Kristy dia:
1-Matotra amin’ny fijoroana ho vavolombelona (and29)
Ny matoanteny hoe: « namaly » eto dia teny feno fianteherana sy fahasahiana . Izany no namalian’i Petera ny fandrarana nataon’ny mpisoronabe . Sahy i Petera miteny fa Andriamanitra no tokony ekena mihoatra noho ny olona .Porofon’ny fankatoavan’ny Apostoly raha fandrarana no natao’ny mpisoronabe tsy hanononana ny Anaran’i Jesoa intsony , dia vao mainka feno ny fampianarany i Jerosalema manontolo .Ry havana , Andriamanitra ihany ankatoavina na iza na iza manery anao hanao zavatra mifanohitra aminn’y sitapony .
2-Mahitsy amin’ny filazana ny marina (and10)
Tsy niolaka iPetera raha nilaza eo anatrehan’ny Synedriona , hoe: »novonoinareo » i Jesoa.Tsy izany ihany fa ataon’i Petera mihasikasina eto ihany koa fa na dia namono an’i Jesoa aza ny Jiosy , dia ny tàna-maherin’ Andriamanitra kosa no nampandresy an’i Jesoa , nandreseny ny fahafatesana .
3-Manoro ny làlam-pamonjena (and31-32)
Petera eto dia tonga amin’ny fanoroana ny Synedriona fa mbola afaka mahazo famelankeloka sy mibebaka izy ireo , satria izany indrindra no antony nahatongavan’i Jesoa . Isika koa dia dia tokony hitaona ny olona izay hitsiantsika amin’ny fomba rehetra hahalala fa mandray ny mpanota mibebaka ny Tompo .
Fanontaniana:
Hatraiza ny fahasahiana mijoro ho vavolombelon’i Kristy?
Ao amin’ny fizarana faharoa amin’ny bokin’Isaia mpaminany ny Tompo dia mampanantena fanarenana indray ny vahoaka lasan-ko babo . Koa ny hafatra entin’i Isaia faharoa dia mampahery indrindra satria hita taratra ao fa:
Tian’ Andriamanitra Jerosalema ka:
1-Vonona hanorina sy hanarina azy indray Izy( and 11,12)
Any am-pahababoana ny vahoakan’ Andriamanitra mahatsiaro ho tsy misy mpijery , mahatsiaro ho efa torotoro , kanefa ao anatin’izany , indro ny Tompo maneho ny fahavononany hanarina azy ireo indray. Sary an’ohatra no entin’ny Tompo maneho izany fahavononany izany eto (and11,12).Tia antsika vahoakany ny Tompo , tsy adinony isika ary tsy ataony vato latsaka an-kady.
2-Vonona hiantoka ny ho aviny Izy (and 13)
Tsy ny ankehitrinin’ny olony ihany no efa aorin’ Andriamanitra indray sy areniny , fa hatramin’ny taranaka no efa ambarany sahady fa » ho be ny fiadanan’ny zanakao« .Izany hoe: ny ho avy mihitsy no efa voatsinjon’ny Tompo mialoha sahady . Mitaona antsika hametraka fitokisana amin’ Andriamanitra izany , fa fiainantsika manontolo na ny lasa na ny ankehitriny na ny ho avy dia efa tsinjoviny .
3-Vonona hampandresy azy Izy (and15,17)
Manome toky ny toky ny vahoakany Andriamanitra eto , fa na dia manam-pahavalo aza izy ireo dia Izy mihitsy no miantoka ny fandresena sy fiarovana azy. Ho lavo eo anoloan’ny olona ny fahavalony , ho ringana izy ireny , ary ataon’ny Tompo mandamoka ny tetika rehetra nomanin’ny fahavalo .
Fanontaniana:
Inona no mbola mampisalasala anao ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra anao ?
« Ary hoy Izy taminy : Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? » (Marka 4.40)
Rehefa manaraka an’i Jesoa.
Rehefa avy nanao fanoharana ny fanjakan’ Andriamanitra i Jesoa dia nitaona ny mpianany ho eny am-pita . Izany no maneho amintsika fa i Jesoa mihitsy no mitondra dia manaraka ny mpianatra na dia hariva aza ny andro.
1-Tsy maintsy mamaky alondrano (and37)
Niondrana an-tsambokely i Jesoa sy ny mpianany .Teny am-pandehanana dia nisy tafio-drivotra mahery ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano .Eo anatrehan’ izany toejavatra izany dia voalazan’ny Filazantsara fa natory teo ambodin’ny sambokely i Jesoa. Aseho antsika amin’izany fa làlana efa voaoman’i Jesoa ho tsy maintsy lalovan’ny mpanara-dia azy ny fiatrehana zava-tsarotra ,hizahana toetra ny finoany sy ny fironan’ny antso vonjiny raha miady mafy izy. Tsy tokony ho taitra na ho gaga izany izay te-hanaraka an’i Jesoa raha miatrika ady mangotraka.
2-Tsy maintsy tafita (and39)
Niantso vonjy tamin’i Jesoa ny mpianatra , ary tsy nisalasala niditra an-tsehatra Izy . Nampangininy ny rivotra , nampitsahariny ny ranomasina. Nahita ny herin’i Jesoa ireto mpianatra ireto fa tsy navelany ho rendrika . Ny fanalahidin’ny famonjena ho azy ireo dia ny fiantsoana an’i Jesoa avy hatrany . Dia nitsangana iJesoa ho famonjena . Ny matoateny ampiasaina amin’io Jesoa mitsangana io no ampiasaina rehefa avy nndresy ny fahafatesana Izy ka nitsangana tamin’ny maty . Lalana tsy maintsy hizorana ny zava-tsarotra rehefa manaraka an’i Jesoa , fa azao antoka ny fandresena ho an’izay miantoraka aminy amin’ny finoana.
Fanontaniana:
Ahoana no endrika isehoan’io alondrano io ho anao ary inona kosa no ataonao manoloana izany ?
Andevo tany Egypta ny Zanak’Israely , mahatsiaro ho tena fadiranovana ka mitaraina mitady famonjen’ amin’ Andriamanitra . Ary ren’ Andriamanitra tokoa izany , ka maniraka olona hamonjy sy hanafaka Izy . Nirahina i Mosesy . Aoka tsy ho kivy na ketraka isika ao anatin’ny mafy lalovantsika .Mivavaha fa mandre antsika ny Tompo « tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare » (Isa 59.1b)
2-Zon’Izy Andriamanitra izany (and6)
Ny matoateny hoe: « hanavotako »; dia azo adika hoe: »hitokiako » , na « hamaliako rà« . Maneho izany fa zon’ Andriamanitra ny Zanak’Israely , zon’ Andriamanitra ny mitaky azy ireo tsy eo ambany fanandevozan’ny Egyptiana ,ary an’i Abrahama no hananan’ny Tompo zo hanafaka ny vahoakany eo ambany fanompoana . Amin’ny herin’ny tànany sy ny fahefany no hanafahan’ Andriamanitra ny olony .Matokia fa isika olony dia tsy mba avelan’ny Tompo ho andevo , ary ny tàna-maheriny no entiny manafaka antsika .
3-Andriamanitra tsy mivadika Izy (and8)
« Omeko ho fanananareo izany », hoy ny Tompo eto raha mampanantena ny vahoakany ny tany tondra-dronono sy tantely . Faneken’ Andriamanitra io tamin’ny Patriarka , ary tsy mivadika amin’izany ny Tompo, tsy miova amin’izay efa nekeny Izy .Andriamanitra azo antoka ny Andriamanitra ivavahantsika . Koa isika mino dia mahazo miantehitra aminy , azo antoka tsy handiso fanantenana Izy, izay lazainy dia tanterahiny .Izy no tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay .
Fanontaniana:
Inona teo amin’ny fiainanao no hahatsapanao fa tsy mivadika tokoa Andriamanitra?