Zoma, faha 25 Aprily 2025
.( Sal 23 / Hira 365:1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:639:1,3)
Apokalypsy 2. 8-11
Hafatr’i Jesoa Velona ho anao
1- Fantany ny zava-tsarotra atrehanao.
« Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manankarena ianao) »: Ireo mpino tao amin’ny Fiangonana Smyrna dia azo lazaina fa isan’ny sahirana kokoa. Nataon’ny sasany hanambaniana sy hanarabiana ary handatsana azy ireo izany. Izy ireo anefa dia manan-karena amin’ny finoana an’i Jesoa velona, Jesoa no tena harena. Ilay mahafantatra ny olana, ny faniriana ary ireo vahaolana
2- Aza matahotra izay hiaretanao.
Ny faniratsirana an’Andriamanitra velona, ny fampidirana an-tranomaizina, ireo fizahan-toetra samihafa, ireo fahoriana ao anatin’ny fotoana voafetra… Ireny no isan’ny hampaherezan’i Jesoa velona antsika. Na co aza ireo, miorena tsara, aza miova ianao. Aza matahotra fa minoa.
3- Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao.
Efa harena ho an’ireo mpino ao Smyrna ny fanarahany an’i Jesoa Tompo, sy ny fahatokiany Azy. Tsy mba nisy fanakianana manokana ny hafatra ho azy ireo fa fampaherezana ihany. Ny hany andrasana aminy dia ny fanohizana sy fihazonana izany hatramin’ny farany. Aina no fetra amin’ny fanompoana.
4- Omeny anao ny satroboninahitra fiainana.
Tsy mba harena mora simba sy levona no ampanantenain’ny Tompo antsika. Satroboninahitra fiainana no valim-pitia avy amin’llay Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka: fiainana maharitra mandrakizay, lanitra vaovao sy tany vaovao. Efa foiny ho anao sahady izany ka aoka tsy hisy haka ny satroboninahitrao (Apo3,11)
Fanontaniana
Inona avy ireo fampaherezana omen’ny Tompo anao anio?
Sampana Sekoly Alahady Foibe