Alarobia, faha 23 Aprily 2025
(Sal 42,1-5 / Hira:142 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:141)
Matio 28. 1-17
Velona Jesoa
1- Resiny ny fahafatesana
« Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay nolazainy Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ny Tompo » (and.6). Nisedra zava-tsarotra tokoa ny Jesoa. Tao ireo fanilikilihana fony Izy nateraka; tao ny fanenjehana, ny kapoka, eny, nihatra taman’aina ny fampijaliana Azy; maty Izy ka nalevina. Kanefa resiny ny fahafatesana, velona ny Tompontsika. Izy no mpandresy an’i satana sy ny forongony. Mampahatsiaro ny toky nomeny izany, fa na dia mandalo hazo fijaliana aza dia hitsangana indray amin’ny andro fahatelo. Manokatra lalam-pandresena Izy Velona Jesoa. Efa nitsangana Izy.
2- Mifanena, manome toromarika mazava tsara
« Ary indro Jesoa nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra » Kihon-dalana iray manan-tantara eo amin’ny fiainan’ny mpino ny fifanenana amin’i Jesoa. Ny toy izany no nanova an’i Saoly, ilay mpanenjika fahiny ho tonga mpitory filazantsara miavaka. Velona Jesoa ka miarahaba hoe: « Finaritra ». Teny tsotra izany, teny mampifandray, teny mampisinda raho-mitatao, teny velona mampahery anao.
3- Mihaona amin’ny mpianany
« Ary nony nahita Azy izy, dia niankohaka, fa ny sasany niahanahana » (and17). Niahanahana ny sasany eto. Toa nofy ilay hazo fijaliana, toa sarotra hadinoina ilay fandevenana vao tsy ela akory. Niova tanteraka ny zava-misy fa nitsangana Jesoa; foana ny fasana; velona ny Tompontsika. Voalaza any amin’ny 1Kor15,6-8 fa niseho tamin’ny olona miisa dimanjato mahery ny Tompo.
Fanontaniana
Mitondra inona ho ahy sy ho anao ny fandresen’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe