Talata, faha 22 Aprily 2025

Sal31,1-3 / Hira: 441:1,2,3,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira:488

Salamo 22. 1-8

Mitaraina amin’ny Tompo ny mpino

1- Noho ny fahatapahan’ny fifandraisana Aminy

« Andriamanitro 6, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy lanao? (and.la). Isan’ny zava-mangidy indrindra co fiainana ny fahafantarana fa tapaka tanteraka ny fifandraisana amin’Izy Tompo; ny fahatsapana fa toa mahafoy ny mpanompony ny Tompo. Mazava fa ny heloky ny olona no efitra mampisaraka azy amin’Andriamanitra. Niharihary izany, fa rehefa nitondra ny fahotantsika teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa dia toa nahafoy Azy Andriamanitra Ray. Izay ihany no lalana hamonjena antsika. Rehefa vitan’i Jesoa ny famonjena ka tontosa ny iraka notanterahiny dia indro Izy ankehitriny mipetraka eo ankavanan Andriamanitra Ray. Ilaina ny mihazona hatrany ny fifandraisana amin’ny Tompo. Adidintsika ny mangataka mba hampirindra hatrany ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Manontania tena raha misy elanelana Aminy.

2- Noho ny faniratsirana ataon’ny mpiara-monina

« Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy » (and7). Hita eto ireo fanilikilihana, fanambaniana, faniratsirana ary ireo fanarabiana samihafa nataon’ny mpiara-monina. Nandalovan’i Jesoa ihany koa izany, ary azo lazaina fa faminaniana amin’ny tranga izay tsy maintsy hatrehiny amin’ny fitondrana ny hazo fijaliana. Mampiomana antsika izao voalaza eto izao fa fomban-javatra ny fisian’ny fotoan-tsarotra samihafa. Tsy atao mahakivy na hampamoy fo ireny fa ny mitraka no atao. Miala amin’ny fahalavoana ary manohy ny fanompoana amin’ny fanantenana.

Fanontaniana

Inona no maha tapaka ny fifandraisana amin’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10