Zoma, faha 11 Aprily 2025
(Sal 18.1-6 / Hira 172 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira128.1,2,3)
2 Samoela 22.47-51
Velona Andriamanitra
Mino tanteraka i Davida fa velona ny Andriamanitra ivavahany. Velona Izy ka nitady izay fomba rehetra hahavelona ny olona ihany koa. Raha matin’ny fahotana àry ny olona (Rom 6. 23) dia manana vahaolana manoloana ny fahaverezan’ny olona Izy, ary tena mahafantatra izay tokony hahasoa ny olona indrindra koa. Na inona na inona ataon’ny olona, araka izany, indrindra manoloana ny ady atrehiny dia tokony hotsaroany mandrakariva fa eo Andriamanitra. Satria ny adin’ny olona dia raisin’Andriamanitra ho adiny ihany koa (cf 1 Sam17. 26, 17. 36; 25. 28). Izany no manambara fa velona Andriamanitra, ary mifanerasera amin’ny olona. Ny fahatsapan’i Davida izany no nahatonga azy hanoratra ity Salamo ity, ary nilazany hoe: velona Andriamanitra. Ary tsy izany ihany:
Miady ho an’ny olony Izy.
Teo amin’ny ady rehetra nataon’i Davida dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra mihitsy no miady ho azy satria hoy Izy: « Manao famaliana ho ahy Andriamanitra; mampanaiky ny firenena ahy Izy »: natahotra azy sy niondrika teo anatrehany ka tsy nisy nahasahy nifanandrina taminy mihitsy ny fahavalony noho ny fanampian’Andriamanitra azy; « Manafaka ahy amin’ny fahavaloko Izy » ny iza na iza teo anatrehany, na firy na firy dia tsy nisy nahasakana azy mihitsy. Izany no nahatonga an’i Davida hidera an’Andriamanitra izay antsoiny hoe: « vatolampy famonjena ahy »; izany hoe tahaka ny olona mandry eo ivohon’ny vatolampy ny olona mitady fanampiana amin’Andriamanitra satria ny vatolampy dia mafy, tsy poaka aty ka tena azo ianteherana ary afaka manorotoro izay rehetra mifanehitra aminy. Izany no sary entin’i Davida maneho ny fomban’Andriamanitra azy.
Fanontaniana:
Mbola azo ianteherana ve Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe