Alarobia, faha 09 Aprily 2025
(Sal 117/Hira15:1,2,3,4/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira445:1,2)
2 Korintiana 3.1-6
Ianareo no taratasiko
Misy ny taratasy sy ny epistily fa misy koa ny atao hoe taratasy epistily filazan-tsoa. Raha nahavita fampianarana na fitoriana ny Filazantsara na fitaizana ny olona iray, ka hiala izy avy eo dia manoratra ny atao hoe epistily taratasy filazan-tsoa (jereo Asa 18. 27). Izany hoe nanantitrantitra ny asa nataony mba tsy ho raraka an-tany fotsiny.
Nisy Jiosy mpanaraka ny fivavahana jodaisma tonga tany Korinto, ka nanozongozona ny maha Apostoly an’i Paoly sy ny fampianarany. Nampirisika ny Korintiana hitaky izany amin’i Paoly izy ireo raha Apostoly marina tokoa i Paoly.
Nambarany mazava fa tsy noho i Paoly amin’ny maha Paoly azy, fa noho i Paoly irak’ Andriamanitra no nahafahany nitory ny Filazantsara sy nitarihany ny Korintiana ho amin’ny finoana marina ka hiala amin’ny fanompoan-tsampy sy ny fitondran-tena ratsy ary hanana fahatahorana an’Andrimanitra. Araka izany tsinontsinona izay heriny amin’ny maha izy azy. Ny valin-tenin’i Paoly noho izany dia izao:
Ianareo no taratasy filazan-tsoa nosoratanay
Mety tsy ho feno ny taratasy mahazatra fanaon’ny olona satria mety ho sandoka na feno fanitarana fa ianareo kosa no taratasy nosoratanay izay fantatra sy vakin’ny olona rehetra.
Tsy neken’i Paoly ny hanoratra taratasy filazan-tsoa toy ny mahazatra, fa ny hany marina dia ny fahafantaran’ny Korintiana hoe: inona no niainany teo aloha sy ny ankehitriny. Tsarovy fa vakian’ny olona eny aminao izany maha kristiana anao izany, eny rehetra eny, ka izany no ilazan’i Paoly eto hoe: « Ianareo no taratasiko ».
Fanontaniana:
Iza avy no lazain’i Paoly hoe taratasy filazan-tsoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe