Alatsinainy, faha 07 Aprily 2025

(Sal 138.4-8/Hira2:1,2,3/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 469:1)

Fotoana kely monja izany indray mipi-maso izany. Ho an’ny olombelona dia tsy misy zavatra vitany mihitsy ao anatin’izany fotoana kely indray mipi-maso izany. Tsy mba tahaka izany kosa anefa Andriamanitra, satria niteny Izy eto hoe: haringako ao anatin’ny indray mipi-maso ireto olona maditra sy mafy hatoka ireto. Alaivo sary an-tsaina araka izany ny herin’Andriamanitra sy ny halehiben’ Andriamanitra mahavitra zavatra tsy takatry ny saina ao anatin’ny fotoana kely dia kely indray mipi-maso monja. Mahavita mifandringana ny olombelona noho ny tsy fifanarahany, ary mampiasa ny fitaovam-piadiana mahery vaika maro samihafa. Andriamanitra kosa teo amin’ny tantara dia nampiasa ny atao hoe « loza telo fandringanana », ary iray amin’izany ny areti-mandringana izay nampiasaina teto. Izany moa dia noho ny fahotana sy ny faharatsian’ny olona ihany, ka nahatonga ny fahatezerany; ary nahatonga Azy hanapa-kevitra handringana ny olombelona.

Na teo aza ny fahatezerany ka nitadiavany ny handringanana ny olona teto dia navelany hisy kosa ny fanavotana izay notenenin’i Mosesy ary notanterahin’ı Arona. Misy tokoa ireo maty, kanefa tsy voaringana daholo araka fahatezeran’ Andriamanitra akory ny olona rehetra satria nampiharina ny fanavotana. Ilazana izany fa amin’ny faharatsiana ataon’ny olona ka mahatonga ny fahatezerany dia mamela sísa hatrany Izy, mba hiheveran’ny olona sy hankatoavan’ny olona Azy amin’ny fiainana mbola sitraky ny Tompo omena azy.

Manao ahoana ny herin’Andriamanitra ao anatin’ny indray mipi-maso?

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 17. ALAKAMISY MASINA
Fitipiana 3. 16-21 | Matio 26. 47-56 | 2Korintiana. 1. 3-7

| | 18. ZOMA MASINA
Salamo 22. 1-8 | Matio 27. 45-56 | Hebreo 5. 7-10

| | 20. PASKA
Daniela 6. 26-29 | Matio 28. 1-17 | Apokalipsy 2. 8-11

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina