Alarobia, 26 Martsa 2025

Sal 89. 1-3 / Hira 445:1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / 445:3

Raha misy loza mitranga eo amin’ny fiainan’ny olona iray, iza no omen-tsiny na an’iza ny fahadisoana? Nisy nanota ve? Ary raha tsy loza, mbola eto ambany ireo fanontaniana ireo

Ambaran’ny perikopa mazava tsara eto fa noho ny fandringanana ireo Galiliana nataon’i Pilato, no loza nitranga eto. Tranga mety hiseho any amin’ny fiaraha-monina ny toy izany indraindray. Teo amin’ny fitondrana nisy tamin’ny andron’i Jesoa Kristy dia mazava ny teniny ho an’ireo nanara-dia Azy hoe: « Ataonareo va fa ireny Galiliana ireny no mpanota mihoatra noh ny Galiliana rehetra… Fa raha tsy mibebaka ianareo dia ho ringana tahaka azy koa hianareo rehetra » (13.2). mba tsy ho tra-doza toy ireo ary dia aoka hanampo ny tsy ampoizina mandrakariva isika. Mibebaha satria mety ny ataon’ny hafa no maha tra-doza anao. Aza mangataka andro fa ny loza tsy mampiomana.

Voatsiahy eto amin’ny tapany faharoa amin’izao mofonaina izao ny fianjeran’ny Tilikambo tany Siloama. Vokany nisy valo ambin’ny folo maty. Ny loza mitranga hoy Jesoa dia tsy mifamatra amin’ny fahotan’ilay olona, na ho kely na ho be, fa na iza na iza dia tokony hibebaka avokoa. Aza miandry ho tra-doza vao mibebaka. Izao koa: tsy izay tra-doza no asaina mibebaka fa ny tsy idiran-doza koa mila mibebaka. Mila miomana mandrakariva isika, aoka tsy ho varimbariana ka hangataka andro lava, fa ny loza tsy mba mampiomana.

Mety hitera-doza koa ve ny fibebahanao?

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 06. Karemy V
2 Samoela 22. 47-51 | Matio 26. 57-66 | 2Korintiana 3. 1-6

| | 13. SAMPANDROFIA - Sampana Dorkasy
Salamo 84. 1-7 | Marka 11. 15-17 | Asan'ny Apostoly 14. 11-18

| | 17. ALAKAMISY MASINA
Fitipiana 3. 16-21 | Matio 26. 47-56 | 2Korintiana. 1. 3-7

| | 18. ZOMA MASINA
Salamo 22. 1-8 | Matio 27. 45-56 | Hebreo 5. 7-10

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina