Talata, 25 Martsa 2025
Sal 96. 1-4 / Hira 639: 1 / Mofonaina / Vavaka
Hebreo 6. 1-8
Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo
- Aoka tsy hihemotra amin’ny finoana
Tenin’Andriamanitra hain’ny be sy ny maro ny hoe: « Isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana fa naman ‘izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy » (Heb 10.39). Ny fihemorana amin’ny finoana (apostazia) dia adika ara-bakiteny hoe: miala amin’Andriamanitra, ary maneho ny fandaozana izay ninoana. Ny apostazia dia vokatry ny safidy malalaka sy an-tsitrapo hiala amin’Andriamanitra velona (3.12). ny olona miaina amin’izany dia tsy azo havaozina ho amin’ny fibebahana, satria nihemotra tamin’ny finoana. Fa miantso antsika ny Tompo mba tsy hihemotra, fa hiroso hatrany ho amin’ny famonjena ny fanahy, ary miantso antsika hibebaka Izy, handraisantsika ny fitahiana sy ny fanavotana ao amin’i Jesoa Kristy Tompo, ilay ivon’ny finoantsika.
- Mitaona antsika handroso
Tian’Andriamanitra ny hitomboan’ny olona rehetra amin’ny fahalalana ny zanany dia i Jesoa Kristy. Mitaona antsika mpino ny mpanoratra mba handroso, ka hoy izy: « Aoka hilaozantsika ny abidiam-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka handroso amin’ny tanteraka isika » (6.1a). Tsy ampy ny mijanona eo amin’ny tsy misy ahiana toy ny zaza; tokony handroso hisaina tahaka ny olon-dehibe isika, hitombo amin’ny fitomboana ara-panahy. Tsy handeha ho azy anefa izany, fa mila fahamatorana eo amin’izay androsoana, indrindra ny ara-panahy. Miantso ary ny mpanoratra amin’ny alalan’izao mofonaina izao mba handroso amin’izay inoana, tsy ho tratran’ny fihemorana, fa mandrosoa hatrany, ho marina eo anatrehan’ny Tompo ny fibebahanao.
Fanontaniana:
Mahatsiaro ho mandroso ve ianao amin’ny finoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe