Alatsinainy, 24 Martsa 2025

Sal 97. 1-5/Hira 382: 1/ Mofonaina/Vavaka

Miantso antsika ny Tompo

1. Ho amin’ny fibebahana marina

Eto dia mahatsapa ireto vahoaka ireto fa tsy mendrika teo anatrehan’Andriamanitra, ary mieritreritra izy ireo fa tsy maintsy ho avy aminy ny fahatezeran’Andriamanitra. Nambaran’i Jaona fa mila mamoa voa mendrika ny fibebahana raha te ho voavonjy, Atao amin’ny fahamarinana fa tsy endrika ivelany fotsiny akory. Aoka tsy ny fanananao an’i Abrahama ho rainao no heverinao hahavonjy anao, fa ny fahamarinan’ny fibebahana ataonao. Miandry anao ny Tompo, Ilay maty, nitsangana tamin’ny maty ho famonjena antsika, miantso anao hibebaka marina. Tsarovy fa tsy misy marina na dia iray aza isika, koa mahereza, tanteraho ny fibebahanao.

2. Maneho fahavonana ahitsy, hiova, mandray izay tandrify ny tena

Ny zava-nisy izay nanaitra eto, raha vao niteny i Jaona dia nametra-panontaniana ny momba ny tenany sy ny fiainany ny vahoaka ka nanao hoe: « Inona ary no hataonay » (and10,12,14). Hita taratra amin’izao fanontaniana izao ny fahavononana, hibebaka, sady hiova toetra, arahana hetsika fa tsy fihetseham-po mandalo. Tsy fibebahana endrika ivelany fotsiny no ateraky ny Tenin’Andriamanitra fa fibebahana tandrify ny toetra sy ny fiainana ary ny asan’ny tsirairay. Ny fibebahana dia miteraka fiovana ho amin’ny tsara eo amin’ny fitondran-tena sy ny asan’ny tena manokana (Jak 3.13,17;18). Koa mitafia ary fahavononana, meteza hahitsin’ny tenin’ Andriamanitra, ho amin’ny fiovana ary raiso ho famonjena ho anao ny tenin’ Andriamanitra izay tandrify ao.

Fanontaniana:

Efa mba nanaiky ho hahitsin’ny Tenin ‘Andriamanitra ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

    Perikopa 2025

    Aprily: VELONA NY TOMPO

    | | 06. Karemy V
    2 Samoela 22. 47-51 | Matio 26. 57-66 | 2Korintiana 3. 1-6

    | | 13. SAMPANDROFIA - Sampana Dorkasy
    Salamo 84. 1-7 | Marka 11. 15-17 | Asan'ny Apostoly 14. 11-18

    | | 17. ALAKAMISY MASINA
    Fitipiana 3. 16-21 | Matio 26. 47-56 | 2Korintiana. 1. 3-7

    | | 18. ZOMA MASINA
    Salamo 22. 1-8 | Matio 27. 45-56 | Hebreo 5. 7-10

    FJKM Fahazavana

    ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina