Alahady, 23 Martsa 2025

Sal 103. 1-5 / Hira 409:1, 3 / Mofonaina / Vavaka

Ny fialana amin’ny lalam-pahotana hiverina amin’Andriamanitra dia fepetra takiana amin’ny antsom-pibebahana atao amin’ny Zanak’ Isiraely. Izao no voasoratra « Ry zanak’ Isiraely ô, miverena amin’i Jehovah Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Isiraely (and-6a). Ampiasaina in-5 amin’ny endrika samihafa ny teny hoe: « miverena » eo amin’ny andininy 6-9, izay manambara fa tao anatin’ny fihemorana, ary nifikitra tamin’ny fomban’izao tontolo izao fa tsy tamin’ny lalan’Andriamanitra ny Isiraely. Antsoina hibebaka izy ireo satria niala tamin’ny fitiavana voalohany. Isika koa antsoina hiverina ao amin’ny Tompo, aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao.

Fahamarinana efatra no ambaran’i Hezekia mahakasika ny tena fibebahana marina dia ireto avy:

  • Mamerina tanteraka ny fony amin’ Andriamanitra
  • Miverina amin’ny fanapahan-kevitra marina, hankato ny didiny
  • Miverina amin’ny fenetren-tena miaraka amin’ny fanekena hivavaka sy hanompo Azy.
  • Miverina amin’ny fitalahoana.

Endrika ho fanavaozam-panoloran-tena amin’Andriamanitra tokoa ireo, ary tokony hataon’izay mibebaka marina tokoa. Miantso antsika ary ny Tompo, tsy ny Isiraely ihany, fa ho ahy sy ho anao izao antso izao. Miverena e! atolory ny tenanao, aza misalasala, vonona mandray izay mibebaka marina ny Tompontsika, mirosoa havako, ataovy marina ny fibebahanao.

Efa mba nanolo-tena ho an’ny Tompo ve ianao?

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 06. Karemy V
2 Samoela 22. 47-51 | Matio 26. 57-66 | 2Korintiana 3. 1-6

| | 13. SAMPANDROFIA - Sampana Dorkasy
Salamo 84. 1-7 | Marka 11. 15-17 | Asan'ny Apostoly 14. 11-18

| | 17. ALAKAMISY MASINA
Fitipiana 3. 16-21 | Matio 26. 47-56 | 2Korintiana. 1. 3-7

| | 18. ZOMA MASINA
Salamo 22. 1-8 | Matio 27. 45-56 | Hebreo 5. 7-10

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina