Sabotsy, 22 Martsa 2025
Sal 67. 1-7/Hira 295: 1/ Mofonaina/Vavaka
Apokalypsy 2. 12-17
Antso ho amin’ny fibebahana ny Tompo
- Aza manaraka ny fampianarana sandoka
Rehefa tsy nahomby tamin’ny fiezahany hampisaraka ny Zanak’ Isiraely tamin’i Jehovah i Balama, dia notoroany hevitra ny Moabita hanao izay hampiala ny Zanak’ Isiraely tamin’ Andriamanitra sy nitaona azy hijangajanga, sady hiankohoka amin’izay andriamani-tsy izy. Naka fanahy ny Isiraely hampifangaro ny finoany tamin’ny fanompoan-tsampy. Antso miantefa amin’ny kristiana tao Pergamosy mba tsy hanarahan’izy ireo ny fampianarana sandoka ka mamily azy ho amin’ny fahatafintohinana. Mampahatsiahy izany ny mpanoratra amin’izao Soratra Masina izao.
Amin’izao antso ho amin’ny fibebahana izao, tsy ho an’ny kristiana tao Pergamosy ihany, fa ho antsika mpanara-dia an’i Jesoa kristy. Aza manaraka fampianarana sandoka, izay mamily ny finoana. Tano mafy izay anananao, miorena, aza miova.
- Hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina
« Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana »
Tsy maintsy mihaino tsara ireo fampitandremana ataon’ny Fanahy Masina ny mpino, indrindra amin’izao andro iainantsika izao. Tahaka izay nambaran’i Kristy tamin’ny Fiangonana fito tany Azia, no mbola hitohizan’ny Fanahy Masina amintsika. Mba hananantsika fibebahana marina. Aoka hahay hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina ka ho mpandresy dia homena ilay mana miafina sy vato fotsy iray misy anarana vaovao eo aminy (2.17)
Fanontaniana:
Sarobidy ny fihainoana, manaiky izany ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe