Hetsika iraisana ho an’ny ho avin’ny ankizy!

L’attribut alt de cette image est vide, son nom de fichier est topaza-4.png.

Toerana fiarovana sy fanohanana ireo zaza kamboty, nafoy, na ankizy sahirana ny Topaza.

Nisy ny fampianarana ara-bola ho an’ireo ankizy 50 ao amin’ny Topaza,tamin’izany mba hanairana ny sain’izy ireo amin’ny fitantanana ny volany sy ny maha zava-dehibe ny fitahirizam-bola. Ary mba hahatanteraka izany fianarana izany ; ny ankizy tsirairay dia nahazo kaonty Tahiry izay efa voavatsy vola, ka manome azy ireo dingana voalohany mankany amin’ny hoavy ara-bola milamina.

Anisan’ny Tanjon’ ny PAMF tamin’ ity hetsika ity ny hanolotra fahafahana ho an’ny tanora amin’ny ho avy mamiratra kokoa.

Perikopa 2025

Aprily: VELONA NY TOMPO

| | 18. ZOMA MASINA
Salamo 22. 1-8 | Matio 27. 45-56 | Hebreo 5. 7-10

| | 20. PASKA
Daniela 6. 26-29 | Matio 28. 1-17 | Apokalipsy 2. 8-11

| | 27. Ala. I man. Paska - Asa TOPAZA
Jeremia 10. 6-16 | Lioka 8. 49-56 | Romana 6. 8-14

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina