Alakamisy 20 Martsa 2025
Sal 33. 1-5 / Hira 543: 1 / Mofonaina / Vavaka
Asan’ny Apostoly 8. 18-24
Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo
1. Anton-javatra diso no manosika ny olona hikatsaka fanomezana
Raha nahita ny fametrahan’ny Apostoly tanana sy ny nanomezana ny Fanahy Masina i Simona (mpanao ody) dia noheveriny ho azo vidiana, ka hoy izy hoe « Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy masina, izay olona hametrahako tanana » (and-19). Mety maro amintsika ny manameloka an’i Simona mpanao majika, noho izy nikasa hividy ny herin’Andriamanitra, kanefa mety manao izany fahadisoana izany koa isika rehefa mihevitra fa mety hahazoantsika sitraka eo anatrehan Andriamnitra izay ataontsika na izay omentsika. Anton-javatra diso no manosika antsika hikatsaka fanomezana avy amin’Andriamanitra. Fotoam-pibebahana izao, fa ny fahadisoan-kevitra dia mety hahavery. Hoy mantsy ny voasoratra eto: « Aoka ho very mhamin’ny tenanao sy ny volanao » (and-20)
2. Mbola mitoetra amin’ny faharatsiana
« Koa mibebaha amin izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ny fonao » (and-22). Ny herin’ny Fanahy Masina no nahitan’i Petera fa mbola feno fangidiana sy voafatotry ny fahotana ny fon’i Simona. Nanome fotoana hibebahan’i Simona i Petera, satria mba tsy ho tahaka an’i Ananiasy sy Safira (5. 5-10). Tantara miseho eo amin’ny fiainam-pinoan’ny mpino koa izao nataon’i Simona izao indraindray, Mibebaka anefa ny faharatsian-toetra tsy foy ialana. Tsy maintsy mianatra avy amin’ny fahadisoan’i Simona ny fiangonana, ka hijoro eo amin’ny toeran’i Petera. Miala amin’ny faharatsiana fa miroso kosa amin’ny fibebahana.
Fanontaniana:
Mba manaiky hiala amin’ny faharatsiana ve ny olona mibebaka?
Sampana Sekoly Alahady Foibe