Alarobia 19 Martsa 2025
Sal 51. 1-12/Hira 351: 1/Mofonaina/Vavaka
Hosea 14. 2-4
Antso ho amin’ny fibebahana
1. Ry Isiraely ô, miverena
Mifantoka kokoa amin’ny fiantsoana ho amin’ny fibebahan’i Isiraely izao perikopa izao. Naverimberin’i Hosea tao amin’ny bokiny manontolo ny fiantsoana ny Isiraely mba hiverina amin’i Jehovah, ary mbola manana fotoana ny amin’izany izy ireo. Ambaran’i Hosea tokoa mantsy ny teny hoe « miverena », satria sady mifantoka any amin’ny olana izay atrehin’ny zanak’Isiraely io no mandroso ny vahaolana koa Izy. Tsotra ny tanjon’ny antso, satria lavon-keloka izy ireo (nanaraka andriamanitra marobe) Amin’izao fotoam-pibebahana izao, miantso antsika koa ny Tompo, miverena, aoka hahafoy izay sakana tsy nahafahantsika nanompo an’Andriamanitra, miverena, havako fa miandry anao ny Tompo. Tsy lavitra Izy fa akaiky, mihaino ny valin-teninao.
2. Fa hamindra fo Jehovah
Raha tena mibebaka marina tokoa ny zanak’Isiraely, ka mahafoy ny lalany; miala amin’ny fanompoan-tsampy sy handrava ireo sakana sy ireo fifanekena politika tsy mahasoa, mbamin’ny fiankinan-doha ara-tafika tamin’ny manodidina azy, dia hamindra fo sy hamela ny helony Andriamanitra (14. 3,4). Ny Andriamanitra tompointsika dia mpamindra fo, tsy mitana heloka fa mahari-po sady be famindram-po ho an’izay tena mibebaka marina tokoa. Satria nanao izany taminao ny Tompo, koa mba manaova toy izany ho an’ny namanao. Aoka ho fianarana ho an’ny hafa ianao, satria namindrana fo. Io mba iavahanao amin’ny hafa, ary tsarovy fa ny Tompontsika dia mampianatra izany ho antsika mpanara-dia Azy. Mibebaha dia aoka hamindra fo.
Fanontaniana:
Mba tsaroanao ve ny indrafon’ny Tompo teo amin ‘izay nisy anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe