Alahady 16 Martsa 2025

Sal 100. 1-5/ Hira 171: 1/ Vavaka/ Hira 295:1

Manoloana irco fahavalo mandozan’ny Fiangonana, ka mahatonga ireo sasany mamadika ny finoana; eto amin’ity Perikopa ity ny Tompo dia miantso ho amin’ny fibebahana mba:

    Mety hiala amin’ny fahamarinana ny mpino, noho ny fisian’ny mpaininany sandoka maro hitsangana ka hamitaka (Mat 24.11), fa ny fikasan’ Andriamanitra kosa dia ho amin’ireo izay efa mpanara-dia sy izay mifikitra Aminy. Ny tena Fiangonana marina tokoa dia tsy mety rava. Fantatr’Andriamanitra izay mahatoky sy miorina tsara amin’ny tenin’ny filazantsara dia Jesoa Kristy, Ilay vato fehizoron’ny finoana. Miantso ho amin’ny fibebahana ny Tompo, aoka isika hiorina tsara amin’izay efa nekena. Aza miova, mahareta, tazony hatramin’ny farany ny safidinao, aza mihemotra, fa tsy mba anisan’ny ankohonan Andriamanitra ny mpino tsy miorina tsara

      Izay efa tena an’Andriamanitra, ka nametraka ny fiainam-pinoany ao Aminy dia miala amin’ny faharatsiana sy ny fampianaran-diso. Ny fitondran-tena sy ny finiavana hanalavitra ny faharatsiana no iavahan’ny tena mpino marina. Ny Tompo mahalala ny Azy, aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy (and.19). Fotoam-pibebahana izao ry havana; antomotra ny andro hiverenan’ny Tompo; miantso antsika rehetra hibebaka ny mpanoratra amin’ity perikopa ity. Herezo hatrany ary ry havako; ho anao izay efa miorina tsara; mitandrema; ialao ny faharatsiana sy ny fampianarana tsy araka ny Soratra Masina. Mibebaha fa antomotra ny andro

      Mibebaka? Ahoana ny fahazoan’ny olona izany?

      Perikopa 2025

      Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

      | | 16. Karemy II - Sampanasa SAF
      Hos. 14. 2-4 ; Mar. 1. 14-15 ; 2 Tim. 2. 19-21

      | | 23. Karemy. III
      2 Tantara 30. 1-9 | Lioka 13. 1-5 | Asan'ny Apostoly 3. 17-21

      | | 30. Karemy. IV - Asa Fifandraisana FJKM
      Joela 2. 12-17 | Jaona 12, 34-36 | Apokalipsy 2. 1-7

      FJKM Fahazavana

      ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina