Alarobia 12 Martsa 2025
Apokalipsy 3. 1-6
Salamo 30. 1-5 – FF1 – Vavaka – FF 39
Ny olona miambina
1. Miasa amin’ny finoana
«…fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao anatrehan’Andriamanitro.» (And. 2)
Nazoto nivavaka ny Fiangonana tany Sardisy saingy tamin’ny endrika ivelany fotsiny ihany. Hany ka tsy tanteraka teo anatrehan Andriamanitra ny asany. Ny hoe « tanteraka » dia midika hoe matotra, mifanaraka amin’ny takiana aminy. Manoloana izany, mila miambina amin’ny fanaovana ny asan’ Andriamanitra mba hifanaraka amin’ny toe-panahy takiana amin’ny asa, dia ny fananana finoana. Ny asa atao amin’ny finoana no asa tanteraka. Ka ny asa rehetra ataon’ny mpino dia asa atao amin’ny finoana fa izany no ankasitrahan’ Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.
2. Miorina amin’ny finoana
« Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha.» (And. 3)
Ny Fiangonana tany Sardisy dia efa nandray ny tenin’Andriamanitra saingy tsy niaina ny finoana araka filazantsara. Mila miverina amin’ny fiainana sy fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Toy izany ihany koa isika kristiana, efa nandre ary tsy mitsahatra mandre ny Tenin’Andriamanitra isika kanefa tsy miaina izany akory. Mampahatsiahy antsika izao teny izao, mba hiverenantsika amin’ny fiainana izany tenin’ Andriamanitra izany. Mariky ny fiambenana sy fiarovan-tena amin’ny fitsaran’i Kristy ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra. Koa miorena tsara.
Fanontaniana
Inona no sakana tsy ahafahanao miaina ny filazantsara?
Sampana Sekoly Alahady Foibe