Zoma 07 Martsa 2025
Asan’ny Apostoly 26. 19-23
Salamo 121-FFPM 167-Vavaka – FFPM 164
Ny olona mandre ny antson’ Andriamanitra
1. Malalaka amin’ny safidiny
« Ary amin’izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nanda ny fahitana avy tany an-danitra aho; » (And. 19)
Nanambara sy nampahatsiahy tamin’i Agripa mpanjaka ny fiantsoan’ny Tompo azy ho Apostoly i Paoly. Nambarany tamin’izany fa antso avy any an-danitra no nahatonga azy ho mpitory ny filazantsara. Nalalaka tamin’ny safidiny izy ary niteny hoe « tsy nanda … aho ». Ka naleony nanaiky izany antso izany satria avy any an-danitra. Tsarovy fa rehefa mandre ny antson’ny Tompo, amin’ny alalan’ny toriteny ianao, dia malalaka amin’ny safidinao ianao na hanaiky na handà. Kanefa aleo « tsy manda » tahaka an’i Paoly satria fitiavana manokana ho anao no antony iantsoan’ny Tompo anao.
2. Mitaona ny hafa hibebaka
«… mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ka hanao asa miendrika ny fibebahana. » (And. 20)
Rehefa avy namaly ny antson’ny Tompo i Paoly, tonga mpitory ny filazantsara, dia nanambara izany tany Damaskosy sy Jerosalema, tany Jodia sy tany amin’ny Jentilisa. Ny tanjona tamin’izany, dia ny hahatonga azy ireo ho amin’ny fibebahana tahaka an’i Paoly ihany koa. Ho anao koa, aza fihinina ho anao irerý ny antson’ny Tompo tonga taminao. Ampahafantaro ny hafa mba hahatonga azy hibebaka ihany koa. Ambarao amin’ny olona rehetra na kely na lehibe ny voalazan’ny Soratra Masina momba an’i Kristy izay tsy maintsy nijaly ary nitsangana tamin’ny maty.
Fanontaniana
Inona avy no heverinao ho mampatahotra mitory filazantsara?
Sampana Sekoly Alahady Foibe