Alarobia 05 Martsa 2025
Matio 3.7-12
Salamo 100. 1-5-FFPM8-Vavaka – FFPM 358
Ny toetran’ny olona efa nibebaka
1. Mitoky amin’ny finoany
« ary aza manao anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; … » (And. 9)
Ny Jiosy tamin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa, dia nihevitra fa ampy hahavonjy azy ireo ny nandovàny ny teny fampanantenana avy amin’Andriamanitra avy tamin’i Abrahama. Ka na dia tsy manana ny toetra araka ny maha vahoaka voafidy aza izy ireo dia voavonjy ihany. Anarina izay olona manana izany fomba fisainana izany ankehitriny. Tsy mahavonjy ny maha taranaky ny olona mpino (Mpitandrina, Katekista, …). Mitaky finoana sy fiainana ny toetra maha olom-boafidy fa tsy sanatria ny mifanohitra amin’izany. Ny finoana an’i Jesoa irery ihany no mahavojy.
2. Mandray ny Batisan’ny Fanahy Masina
«… Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo; » (And. 11)
Ny Batisan’i Jaona dia fanomanana ny olona handray an’i Jesoa Kristy. Batisan’ny fibebahana. Taomina hibebaka ny olona mialohan’ny handraisany an’i Jesoa Kristy. Fa ny Batisan’i Kristy no handraisany ny Fanahy Masina. Ka ny fandraisantsika ny Sakramentan’ny Batisa dia mariky ny fandraisana ny Fanahy Masina. Fanehoana amin’ny fomba hita maso fa efa nandray ny Fanahy Masina ny Batisa. Ka ny olona natao Batisa ho « amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » dia efa nandray ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina nahatonga antsika Zanak’ Andriamanitra.
Fanontaniana
Ahoana ny fomba iainanao ny maha olona vita Batisa anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe