Talata 11 Febroary 2025

Sal 1.1-6/Hira 190: 1/ Mofonaina / Vavaka

Tantaran’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ny mofonainantsika anio. Ampitain’io tantara io amintsika fa

Manaporofo io fahaveloman’i Jesoa io ny fahafoanan’ny fasana, satria rehefa nitsirika nijery i Maria, dia « nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay nandrian’ny fatin’i Jesoa ». Tsy angano akory izany, satria, ara-tantara dia nitranga tamin’ny andron’i Pontio Pilato, Governora Romana izao tranga izao. Io no iavahan’ny fivavahana Kristiana amin’ny fivavahana rehetra misy, satria i Jesoa irery ihany no nitsangana tamin’ny maty teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao!

  1. Mahita Azy, izay mitady azy amin’ny fo (and 16)

« Hoy i Jesoa taminy: Ry Maria… », Ny fitantarana dia milaza fa niteny tamin’i Maria izay nidodododo vao mangiran-dratsy hitady Azy i Jesoa. I Maria dia tena naniry mafy hahita an’i Jesoa mihitsy, na ny marimarina kokoa, hahita ny fatin’i Jesoa; ary novalian’i Jesoa izany hetahetany izany koa raha faty no nantenain’i Maria ho hita, fa Jesoa velona no niseho taminy. Tadiavo amin’ny fonao i Jesoa dia hahita Azy ianao, sady hanehoany ny hery sy ny voninahiny.

« Fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe… » hoy ny fitantarana. Maneho amintsika izany, fa andraikitra apetrak’i Jesoa amin’izay efa nihaona taminy ny hampahafantatra ny hafa sy hizara ny vaovao mahafaly dia ny fitsanganany tamin’ny maty. Raha efa nihaona tamin’i Jesoa velona ianao, dia aza fihinina ho anao samirery ny maha Andriamanitra velona Azy fa mba tariho hihaona Aminy koa ny hafa, hitsitraka ny famonjeny, handray Azy ho Tompo sy mpamonjy!

Hatraiza ny fanirianao hahita an’i Jesoa?

Perikopa 2025

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 16. Karemy II - Sampanasa SAF
Hos. 14. 2-4 ; Mar. 1. 14-15 ; 2 Tim. 2. 19-21

| | 23. Karemy. III
2 Tantara 30. 1-9 | Lioka 13. 1-5 | Asan'ny Apostoly 3. 17-21

| | 30. Karemy. IV - Asa Fifandraisana FJKM
Joela 2. 12-17 | Jaona 12, 34-36 | Apokalipsy 2. 1-7

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina