Sabotsy 8 Febroary 2025

Sal 90. 1-5 / Hira 194: 1 / Mofonaina / Vavaka

Ampianarin’ny olon-kendry isika anio mba:

Hoy ny olon-kendry hoe: « Anaka, aza mandino ny lalako, fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko ». Tiany ahasinkasina amin’izany fa tsy ampy ny hoe mpihaino na mpamaky ny Tenin’Andriamanitra fotsiny, fa tokony ho tonga amin’ny fandatsahana izany ao am-po ary ho tonga amin’ny fankatoavana ihany koa indrindra indrindra. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao, mahazo laka, ka mamoa eo amin’ny fiainany ny Tenin’Andriamanitra; tonga ivelomana, araka ny Tenin’i Jesoa hoe: « tsy mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra » (Mat 4. 4) Maty antoka isika raha nahavaky ny Baiboly manontolo indroa na intelo ao anatin’ny taona aza, kanefa tsy ankatoavintsika akory izay ambarany.

« Fa andro maro sy taona ela iainana, ary fiadanana no hanampiny ho anao ». Io andininy io dia milaza ny amin’ny tombontsoan’ny olona mankato ny Tenin’Andriamanitra. Raha ny Testamenta taloha no asian-teny, dia mariky ny fitahian’Andriamanitra ny fahelavelona; ary tsy eto ihany no ahitantsika izany fa any amin’ny pentatioka ihany koa (Eks 20; Deo 5 sy ny hafa koa), sy amin’ny boky hafa. Fa ambonin’izany koa, tsy hoe fahelavelona fotsiny ihany no voaresaka eto, fa sady misitraka taona maro, ary taona maro ao anaty fiadanana. Io fiadanana dia azo adika koa hoe fihavanana sy fandriampahalemana. Io fiadanana io koa no nomen’i Jesoa ho an’ny mpianany; ary omeny antsika mino Azy sy Mankato ny Teniny; hoy indrindra ny Tompo hoe: « Fiadanana…ny fiadanako no omeko ho anareo »

Mitondra inona ny fankatoavana ny Tenin’ Andriamanitra?

Perikopa 2025

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 16. Karemy II - Sampanasa SAF
Hos. 14. 2-4 ; Mar. 1. 14-15 ; 2 Tim. 2. 19-21

| | 23. Karemy. III
2 Tantara 30. 1-9 | Lioka 13. 1-5 | Asan'ny Apostoly 3. 17-21

| | 30. Karemy. IV - Asa Fifandraisana FJKM
Joela 2. 12-17 | Jaona 12, 34-36 | Apokalipsy 2. 1-7

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina