Zoma 7 Febroary 2025

Sal 95. 1-5 / Hira 543: 1 / Mofonaina / Vavaka

Fanontaniana valian’ny mofonainantsika anio ny hoe: Inona no andrasana amin’ny olona mamaky na mandinika Soratra Masina? Misy telo loha ny valiny

    « Dinihanareo ny Soratra Masina satria ataonareo fa ao aminy по anananareo fiainana mandrakizay » hoy i Jesoa, tamin’ireo manam-pahefana Jiosy. Misongadina eto fa tsy diso tsy akory iretsy farany, fa tena ananana fiainana mandrakizay tokoa ny fandinihana ny Soratra Masina, izay mampianatra ny tokony atao sy manoro lalana ny amin’izy tokony atao raha te hanana fiainana. Ampirisihana mihitsy isika hamaky sy handinika ny Soratra Masina, fa tena mahasoa izany!

      « …Ary ireny no manambara Ahy; kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana », hoy i Jesoa manohy ny teniny. Entin’i Jesoa manitsy ireo te hiseho ho mahay Soratra Masina, kanefa tsy mety mino an’i Jesoa. Ambaran’i Jesoa mihitsy eto, fa ny ivo sy ambaran’ny Soratra Masina (Ny Testamenta Taloha ampiasaintsika ankehitriny izany) anie ka i Jesoa tenany e; Samy efa manambara izany daholo ireo boky na vondrom-boky ao. Koa mahagaga, raha mandinika ny Soratra Masina nefa tsy mety mandray an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy.

      « Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an’Andriamanitra ao am-ponareo ». Mazava ny tian’i Jesoa holazaina: vakina amin’ny fo madio, tsy misy fihatsarambelatsihy na faharatsiam-panahy ny Soratra Masina, raha tsy izany, tsy tonga amin’ny finoana mihitsy ny olona fa zary fombafomba fotsiny ihany izany! Hevero tsara izany rahavana!

      Ahoana ny fiainanao ireo valim-panontaniana telo ireo?

      Perikopa 2025

      Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

      | | 16. Karemy II - Sampanasa SAF
      Hos. 14. 2-4 ; Mar. 1. 14-15 ; 2 Tim. 2. 19-21

      | | 23. Karemy. III
      2 Tantara 30. 1-9 | Lioka 13. 1-5 | Asan'ny Apostoly 3. 17-21

      | | 30. Karemy. IV - Asa Fifandraisana FJKM
      Joela 2. 12-17 | Jaona 12, 34-36 | Apokalipsy 2. 1-7

      FJKM Fahazavana

      ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina