Alatsinainy 03 Febroary 2025
Sal 24. 1-5 / Hira 24: 1/ Vavaka/ Mofonaina/ Vavaka
Hebreo 4. 12-13
Fanontaniana telo no azontsika omena valiny miainga amin’izao anjara mofonainantsika izao:
1. Ahoana no hilazana fa velona ny Tenin’Andriamanitra?
Raha manakatra ny hevitra fonosin’ny hoe velona isika; dia hahazo avy hatrany fa ny dikan’izany dia hoe miaina, mitombo; ary afaka mahazo faka ka maniry tsara sy mamoa be aty anantintsika. Izany indrindra no mahatonga an’i Jesoa nanao fanoharana ny amin’ny mpamafy (Lio 8), ka nilazany fa « ny voa dia ny Tenin ‘Andriamanitra ». Fantatsika tsara fa ny voa dia afaka mamoa indray ny hazo na ny zava-maniry nanalana azy. Ny andrasana amintsika amin’izany ary, di any mba hanaovantsika ny fontsika ho toy ny tany lonaka haniriana sy hamoazan’ny Tenin’Andriamanitra.
2. Nahoana no lazaina fa mahery ny Tenin’Andriamanitra?
Ny Baiboly manontolo mihitsy, hatrany amin’ny Fiandohany dia efa mampiharihary ny herin’ny Tenin’Andriamanitra fa io no nentin’ Andriamanitra nahary izao tontolo izao tamin’ny hoe; « misia…dia nisy… » (Gen 1). Afaka manandrana miteny ianao hoe: misia; saingy fantatrao avy hatrany fa tsy manan-kery hampisy na hahary ny teninao. Maneho amintsika miharihary ny herin’ny Tenin’Andriamanitra izany!
3. Inona no dikan’ny hoe maranitra noho ny sabatra roa lela ny Tenin’Andriamanitra?
Fitaovam-piadiana noforonin’ny miaramila Romana ny sabatra roa lela, mahavoa hatrany rehefa alefa. Midika izany, fa tsy miala maina ny Tenin’Andriamanitra fa tafalatsaka lalina ary afaka manova ny fo vato ho tonga fo nofo! Manova ny maditra ary afaka mampitodika ny mafy hatoka!
Fanontaniana:
Mitondra inona ho anao ny Tenin’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe