Talata 28 janoary 2025
Sal 113. 1-3 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 13
Salamo 92. 1-6
Ny fahatsaran’ny asan’Andriamanitra
1- Mahatonga ny olona hidera Azy
Ny famindrapon’Andriamanitra sy ny fitanany ny Teniny tamin’izay nampanantenainy no tsapan’ny mpanao Salamo fa loharanom-pitahiana sy fahasoavana tamin’ny andro rehetra niainany. Feno fahasambarana izy ireo noho izany ka mipololotra fideranaan’Andriamanitra mba ho fisaorana sy fankasitrahana ary fanomezam-boninahitra ilay Mpahary sy mpanao ny zavatra rehetra ary mpandahatra ny fiainana sy izay rehetra miseho. Mandritra ny andro sy ny alina, ary amin’ny fomba sy ny talenta rehetra mihitsy no ikasany hiderana an’Andriamanitra amin’izany, izany hoe amin’ny fiainany manontolo. Tokony hidera an’Andriamanitra isika manomboka amin’ny fiposan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany satria ny fahasoavany no ahafahantsika miana sy mamakivaky izany.
2- Tsy takatry ny kentrina sy ny adala
Izay ambara ho kentrina sy adala eto dia ireo izay tsy mety mino sy manaiky ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra ka tonga mankahala sy manenjika Azy tokoa. Rehefa andevozin’ny fankahalana sy fahadalana tokoa ny olona dia tsy mety mahita ny zavatra tsara ataon’ny manodidina na ny mpiara-monina aminy satria miova mihitsy ny solomasony. Tonga toa ireny rafozana jamba ireny izy, ka tsy mahita ny ezaka ataon’ny vinanto noho ny fitiavana ny zanany. Raha tsy mahita afa-tsy zavatra ratsy ianao ao am-piangonana dia aoka hitandrina sy handini-tena fa sady adala no kentrina. Mibebaha mba hahita ny fahatsaran’ny asan’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Hendry ianao sa dala?
Sampana Sekoly Alahady Foibe