Alatsinainy 13 Janoary 2025

Sal 42.1-5 / Hira7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 34

Joba 42.1-6

Lehibe ny fiandrianan’ Andriamanitra

1- Mahay ny zavatra rehetra Izy

Voalaza fa i Joba dia lehilahy marina sy mahitsy sady natahotra an’Andriamanitra. Izany hoe olona nandeha araka ny rariny sy ny hitsiny, sady niezaka ny hankato ny sitrapon’Andriamanitra tamin’izay rehetra nataony. Mafy ny fitsapana sy ny fizahan-toetra nahazo azy, ary efa nisy mihitsy aza fotoana naniriany ho faty noho ny hamafin’ny fahoriany (Job3.9-11). Ny adihevitra nifanaovany tamin’ireo namany telo lahy dia mampiharihary ny halehiben’ny fiandrianan’Andriamanitra, ka tsy ho fantatra avokoa ny momba Azy, ny fikasany, ny anton’ny aretina, ny fahoriana. Mihoatra noho izay heverintsika ny fiheviny sy ny fitantanany. Izy no mifehy ny tantara; mahay ny zavatra rehetra Izy. Hoy i Joba: « Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao. » (and.2). Ny hany fihetsika tokony hatao dia ny tahotra sy ny fanajana Azy.

2- Aza manamarin-tena eo anatrehany

Natoky ny tenany ho marina sy tsy manan-tsiny i Joba. Noho izany fiheveran-tena izany no nahasahiany nifandahatra tamin’Andriamanitra. Nasehon’Andriamanitra tamin’i Joba fa Izy no Andriamanitra Tsitoha, ary tsy misy maharara izay tiany hatao. Sombintsombiny amin’izay zavatra rehetra mitranga ihany no fantatry ny olombelona. Ny hany tokony hatao dia ny manetry tena sy mibebaka eo anatrehany, fa tsy ny manamarin-tena. Ny fanamarinan-tena no nanetren Andriamanitra an’i Joba ka nahatonga azy hiteny hoe: « Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho. » (and.5,6).

Fanontaniana:

Afaka mifaly ve ny mpino na dia anaty fahoriana aza? Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 19. Ala. Il man. Epifania - FFKM
Isa. 66. 1-2 ; Jao. 2. 1-12 ; Asa 7. 44-50

| | 26. Ala. III man. Epifania - Marary Hoditra
Lev. 13. 9-17 ; Mar. 1. 40 -45 ; Jak. 5. 13-18

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 02. Ala. IV man. Epifania
Zak. 8. 1-8 ; Jao. 5. 39-47 ; Efe. 1. 7-14

| | 09. Ala. V man. Epifania - Alahadin'ny Baiboly
Sal. 119. 41-48 ; Lio. 6. 46-49 ; 2 Kor. 6. 1-10

FJKM Fahazavana

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM