Alahady 12 Janoary 2025
Sal 22.22-25 / HF 48 / Vavakab/ Mofonaina / Vavaka / Hira 452.1,3
Matio 5.33-37
Lehibe ny fiandrianan’Andriamanitra.
1- Aza manao fianianana tsy am-piheverana
Ny fanaovana fianianana dia fanamafisana ny fahamarinan’izay zavatra lazaina, na zavatra hotanterahina; na koa fanehoana fanekena fa hanatanteraka izay zavatra rehetra lazaina. Matetika ny fianianana dia atrehin’ny vavolombelona; mety ho olona izany, na koa zavatra hafa, toy ny volamena, na zavatra heverina ho masina sy mahatahotra toy ny Alitara, Tempoly, fanatitra, na hafa (Mat 23.18-22). Mianiana amin’ny tany sy ny lanitra ny olona sasany. Tsy azo atao vazivazy, na tsy am-piheverana ny fianianana araka ny voasoratra hoe: « Aza mianian-tsy tò, fa efao amin’i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12) ». Ambaran’i Jesoa fa Andriamanitra, Izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany dia mahita sy manatrika ireny fianianana ireny. Na dia izay miafina indrindra ao am-pon’ny olona aza dia hitany sy fantany.
2- Sahia mijoro ho tsotra sady marina.
« Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ny ratsy » (and.37). Ny olona tsotra sady marina dia tsy tokony hila fianianana akory ho fanamafisana ny fahamarinan’ny zavatra ambarany satria fantany fa manatrika azy amin’ny fotoana rehetra Andriamanitra, ary matahotra Azy izy. Izany akory tsy midika hoe fahotana ny manao fianianana. Hoy ity mpandinika fiarahamonina iray hoe: Ny olona izay efa tsy nitokisan’ny olona intsony no tokony hampanaovina fianianana. Toe-panahy iray anahafantsika an’i Kristy ny fananana fahatsoram-po sy fahamarinana. Ampy tsara ny manao « eny » na « tsia ». Ny devoly no mampirisika ny olona iray hanao fianianana amin’ Andriamanitra mba hanafenana ny ratsy ataony.
Fanontaniana:
Ilaina ve ny fanaovana fianianana? Nahoana
Sampana Sekoly Alahady Foibe