Alakamisy 09 Janoary 2025

Sal 66.1-4 / Hira 36/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/Hira 354.1,2

Matio 13. 24-30

Katsaho ny fanjakan’ny lanitra

1- Mitandrema amin’ny fahavalo

Asehon’ity fanoharana ity fa misy ny fahavalo mety hampivily lálana ny olona ka tsy hahatafiditra azy amin’ny ny fanjakan’ny lanitra. Izy ireny no oharina amin’ny olona mamafy an-tsokosoko ahi-dratsy amin’ny tanimbary efa namafazana voa tsara… Mitovitovy endrika ny vary sy ny tsiparifary rehefa miaraka maniry eny an-tanimbary, ka sarotra amin’ny olona tsy mahalala ny manavaka azy. Tsy hita mihitsy ny mampiavaka azy roa raha tsy efa miteraka ny vary. Ny lesona hotsoahina avy amin’izany dia ny tokony hiambenana mandrakariva manoloana ny fisian’ny faminaniana sandoka izay mieli-patrana eto amin’izao tontolo izao. Izy ireny mantsy dia tsy mikendry afa-tsy ny hampiala ny olona amin’Andriamanitra sy ny foto-pampianarana marina izay ampianarin’i Jesoa.

2- Manana faharetana

Ary satria Andriamanitra no tompon’ny teny farany sady mahalala ny momba ny olona rehetra, dia mampianatra antsika Izy mba tsy hoentim-po ka hanongotra izay heverintsika ho fahavalon’ny Fiangonana. Anjara asany ny manao izany; Izy no hanavaka ny vary amin’ny tsiparifary rehefa tonga ny fararano. Eto amin’izao tontolo izao isika, tafaharo ao amin’ny Fiangonana ny olona izay heverina ho isan’ny « marina » sy ny olona heverina ho mpihatsaravelatsihy. Ny adidin’ny mpanara-dia an’i Kristy dia ny maneho faharetana, sy miala nenina aminy raha azo atao, mandra- piavian’ny Tompo amim-boninahitra hitsara ny olona rehetra araka ny asany avy.

Fanontaniana:

Efa nahare olona niteny hoe: <<< Jiolahim-piangonana » ve ianao? Inona hono no hevitr’izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 19. Ala. Il man. Epifania - FFKM
Isa. 66. 1-2 ; Jao. 2. 1-12 ; Asa 7. 44-50

| | 26. Ala. III man. Epifania - Marary Hoditra
Lev. 13. 9-17 ; Mar. 1. 40 -45 ; Jak. 5. 13-18

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 02. Ala. IV man. Epifania
Zak. 8. 1-8 ; Jao. 5. 39-47 ; Efe. 1. 7-14

| | 09. Ala. V man. Epifania - Alahadin'ny Baiboly
Sal. 119. 41-48 ; Lio. 6. 46-49 ; 2 Kor. 6. 1-10

FJKM Fahazavana

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM