Talata 07 Janoary 2025

Sal 67.1-4 / Hira 167 Vavaka/ Mofonaina/ Vavaka/ Hira 310.1-3

Romana 1. 18-25

Ny fahatezeran’Andriamanitra

Inona no antony mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra?

1- Mba hanehoany ny fahamarinany sy ny fahamasinany

Ray be fitiavana sy be famindram-po Andriamanitra, Izany no ahahalalantsika Azy ao amin’i Jesoa Kristy. Tsy tokony hadinoina anefa fa Andriamanitra marina sy masina Izy. Fitiavana masina sy marina no itiavany ny olona ka tsy azo lotoina. Ny fahatezeran’ Andriamanitra dia tsy mba tahaka ny an’ny olombelona hoe vokatry ny fahatafintohinana, na tsy fahafehezan-tena, fa fomba iray anehoany ny fahamarinany eo anatrehan’ny fahadisoan’ny olona; anehoany ny fahamasinany izay tsy manaiky hohitsakitsahan’ny ratsy, fahefana tsy azon’ny ditran’olombelona hozongozonina; anambarany ny fitiavany masina tsy azo afangaro amin’ny fahavetavetana sy ny fanompoan-tsampy.

2- Vokatry ny fanompoan-tsampy

Raha iharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny olona, dia vokatry ny nataony ihany. Tokana ny Andriamanitra Mpahary, nefa andriamanitra maro no nivavahan’ny Jentilisa; masina sy hendry Andriamanitra, nefa andriamanitra feno fahalemena sy fahadalana no notompoiny (and.21). Ny tsy fahalalana no manosika ny mpanompo sampy hivavaka amin’ny andriamani-tsy izy. Na dia efa miharihary eo anoloany aza ny marina dia « maizina ny fony donto ». Anisan’ny mitarika ny fahatezeran’Andriamanitra ny fisian’ny olona mpandoka tena, mitady haja ho an’ny tenany fa tsy ny ho an’Andriamanitra. Ny olona toa azy ireny no lazaina eto hoe: « Nandoka tena ho hendry izy ka tonga adala » (and.22). Ny fibebahana sy ny fiverenana ao amin’i Jesoa Kristy no mahafaka ny fahatezeran’Andriamanitra tsy hihatra amintsika.

Fanontaniana:

Inona no mbola ifikiran’ny olona amin’ny fanompoan-tsampy?

Sampana Tanora Kristiana

Perikopa 2025

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 12. Ala. I ma . Epifania
2 Tan. 20. 5-9 ; Mat. 5. 33-37 ; Heb. 12. 1-3

| | 19. Ala. Il man. Epifania - FFKM
Isa. 66. 1-2 ; Jao. 2. 1-12 ; Asa 7. 44-50

| | 26. Ala. III man. Epifania - Marary Hoditra
Lev. 13. 9-17 ; Mar. 1. 40 -45 ; Jak. 5. 13-18

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 02. Ala. IV man. Epifania
Zak. 8. 1-8 ; Jao. 5. 39-47 ; Efe. 1. 7-14