Sabotsy 04 Janoary 2025

LEHIBE NY FIANDRIANAN’ANDRIAMANITRA

Sal 99.1-5/ Hira 6/ Vavaka/ Mofonaina/ Vavaka/ Hira 461.1,2

1Jaona 2.20-23

Ny antikristy.

1- Inona moa izany?

Ny hevitry ny teny hoe antikristy dia « mpanohitra an’i Kristy », na « kristy sandoka ». Teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana Kristiana dia noheverina fa ho isan’izany ny mpanenjika ny fivavahana kristiana, satria izay manenjika ny Fiangonana na manohitra ny Fiangonana dia manenjika sy manohitra an’i Kristy. Toy izany koa ny mpaminany sandoka sy ny olona izay milaza ny tenany ho mesia na kristy satria mpandainga. « Iza no mpandainga, afa-tsy ilay manda an’i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka » (and.22). Matetika dia avy amin’ny Fiangonana ihany izy ireny no niala sy nisintaka ka tonga mpanohitra (and.19). Ny fisian’izy ireny ety amin’izao tontolo izao no manambara amintsika fa efa manakaiky ny farany ka tokony ho mailo sy hiambina isika.

2- Inona no tokony hatao manoloana izany?

Mety ho gaga isika raha mahita fa misy olona milaza ny tenany ho mesia, ary dia misy mpanaraka tokoa. Manontany tena isika hoe fa azon’inona loatra ireo olona mpanaraka azy ireny. Ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanekena Azy ho hany Tompo tokana no fiarovan-tena mba tsy hahatonga antsika ho voatarika na ho voafitaka. Avy amin’izany no andraisantsika ny herin’ Andriamanitra, dia ny Fanahy Masina. Izy no hanolo-tsaina antsika hahalalana ny marina sy ny lainga, ny tena Izy sy ny kristy sandoka. Hoy ny Apostoly raha manazava izany: « Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin’ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra. » (and.20). Ny hosotra ambarany amin’izany dia ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:

Inona no antony mahatonga ny olona hiala na hifindra finoana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 12. Ala. I ma . Epifania
2 Tan. 20. 5-9 ; Mat. 5. 33-37 ; Heb. 12. 1-3

| | 19. Ala. Il man. Epifania - FFKM
Isa. 66. 1-2 ; Jao. 2. 1-12 ; Asa 7. 44-50

| | 26. Ala. III man. Epifania - Marary Hoditra
Lev. 13. 9-17 ; Mar. 1. 40 -45 ; Jak. 5. 13-18

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 02. Ala. IV man. Epifania
Zak. 8. 1-8 ; Jao. 5. 39-47 ; Efe. 1. 7-14