Alatsinainy 30 Desambra 2024
Matio 23.1-12
Aza manao toy ny Fariseo sy ny mpanora-dalana!
Mampitandrina ny mpianany sy ny vahoaka izay nihaino Azy i Jesoa, noho ny amin’irco Fariseo sy ny Mpanora-dalana.
1- Mampitondra enta-mavesatra
Nohajaina sy neken-teny fatratra ny Fariseo sy ny mpanora-dalána tamin’ny andron’i Jesoa. Tamin’izany fotoana izany ny mpanora- dalana dia nampianatra sy nampihatra ny lalàn’i Mosesy; ary ireo Fariseo kosa dia nanava-tena ho masina, ka tsy te hifangaroharo amin’ny olona izay heveriny ho tsy manaja ny lalàm-pivavahana jiosy. Nipetraka teo amin’ny fipetrahan’i Mosesy izy ireo, izany hoe naka ny toeran’ny mpampianatra sy mpampihatra lalåna (and.2). Nampian’izy ireo didy sy fitsipi-pifehezana samihafa araka izay noheveriny, sy izay noraisiny avy tamin’ny lovan- tsofina izany. Ka ny fombafombam-pivavahana ivelany no tena nahasarotiny azy. Vokatr’izany dia tonga enta-mavesatra sy nangeja ny vahoaka ny fampiharana ny lalàm-pivavahana ka tsy nahitana fitsaharana (and.4). Ary na izy ireo koa aza mba tsy mahatanteraka ny lalàna izay nampianariny (and.4); nanjary toy ny « mpitari-bato vilam-bava », hoy ny fitenenana.
2- Te hoderaina
Nahavita asa tsara sy nahafinaritra tokoa izy ireo. Saingy ny nahadiso azy dia izao: ny hahazoany dera imason’ny olona no tena nokendreny tamin’izany (and.5). Izany no itiavany mipetraka eny aloha mba ho hitan’ny olona rehefa any amin’ny fanasana na ao amin’ny Synagoga; faly ery izy rehefa antsoin’ny olona eny an- dalana hoe « Raby », izay azo adika hoe: « mpampianatra », na « lehibeko », na « tompoko ». Mbola maro amin’ny mpitondra fivavahana sy ny manam-pahefana no te hoderaina tahaka azy ireny fa tsy mba mahay manetry tena. Loza! (vakio ny and. 13 sns).
Fanontaniana:
Araka ny hevitrao, ahoana ny fomba fampiharana ny Mat 23.11?
Sampana Sekoly Alahady Foibe