Alakamisy 26 Desambra 2024

Romana 16. 17-20

Fananarana ho an’ny mpino:

Fananarana sy tsodrano no amaranan’i Paoly ny Epistily ho an’ny Romana. Ireto no asainy hotandremana:

1- Halaviro ny mpampianatra sandoka.

Mampahatsiahy ny teny sasany ao amin’ny Epistily ho an’ny Galatiana sy Filipiana ny voalazany eto, momba ny mpampianatra hevi-diso izay mahatonga fisarahana. Azo heverina fa ireo Kristiana jiosy fatra-pitana ny fomban-drazana no tiany hambara amin’izany. Izy ireny mantsy no efa nanenjika sy nanohitra azy hatrany hatrany, sady nanomboka nanakorontana ny Fiangonana tao Roma koa. Isan’ny nanahirana azy koa ny amin’ireo Kristiana jentilisa sasany, izay nivily lalana ka nanaram-po tamin’ny ratsy sy nanao izay danin’ny kibony noho ny fahadisoan-kevitra momba ny atao hoe: »fahafahana kristiana ». Mahay mandaha-teny sy mandresy lahatra ny mpaminany sandoka, ka mamitaka ny fon’ny « tsy àry saina ». Aoka hiambina ny rehetra!

2- Aza miharo amin’izay ratsy.

Mety hahalavo ny mpino maro ny fiheverana fa tokony halefa hiatrika ny zava-misy eo amin’ny fiaraha-monina ny zanaky ny Kristiana. Izay heveriny amin’izany dia ny mba hahafahany mamantatra sy hiatrehany ny fakam-panahy. Mety ho tafaroboka anatin’ny fandrika lalina anefa izy ireny, ka ho sarotra ny hisintona azy indray avy eo. Izany no nahatonga an’i Paoly hananatra hoe: « Tiako ho hendry amin’izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin’izay ratsy. »(and.19b). Ny hevitry ny teny hoe: « tsy hiharo amin’ny ratsy » dia « tsy manan-tsiny », « madio ». Izany hoe tsy manan-tsiny toy ny zaza tsy mbola manana saina mifangaroharo amin’ny fomban’izao tontolo izao.

Fanontaniana:

Tsy tokony hiara-monina amin’izao tontolo izao ve ny mpino? Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 29. Ala. man Krismasy - Fiantsoana - SeFaLa
Salamo 2. 7–12 | Matio 23. 1–12 | Hebreo 1. 5–14

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23

| | 05. Ala. EPIFANIA
Deo. 10. 12-19 ; Mat. 23. 16-28 ; Heb. 8. 1-6

| | 12. Ala. I ma . Epifania
2 Tan. 20. 5-9 ; Mat. 5. 33-37 ; Heb. 12. 1-3