Alatsinainy 23 Desambra 2024
Lioka 9. 46-50
Izay te ho lehibe any amin’ny fanjakan’ny lanitra
Nampiady hevitra ny Apostoly ny amin’izay ho lehibe sy be voninahitra rehefa tonga ny fanjakan’ny lanitra.
1- Izay manetry tena.
« …Ary hoy Izy tamin’ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe »(and.48) Ny hevitr’izany dia izao: izay mety hanetry tena hanao ny raharaha heverin’ny sasany ho tsy mihaja sy asa ambany, nefa asa mahasoa ny madinika sy ny malemy mbamin’ireo ízay heverin’ny olona ho tsinontsinona sy voahilikiliky ny mpiara-belona, dia izy no lehibe; ary izay tia azy ireny fatratra dia mandray an’i Kristy. Nohamafisin’i Jesoa tamin’ny mpianany izany taty aoriana ka nolazainy fa ny lehibe indrindra eo aminareo, hoy Izy dia ho tahaka ny zandriny indrindra, ary izay manapaka dia ho tahaka ny mpanompo. Jesoa mihitsy no naka izany toerana maha mpanompo izany (Jereo ny Lio 22.26-27)
2- Izay mahay miara-miasa amin’ny hafa (Vakio ny and. 49)
Tsy mety amintsika Kristíana ny mihevitra fa tsy misy afa-tsy isika, na izay mpikambana ao amintsika na izay miray Fiangonana amintsika ihany no afaka hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy mety ny mihevi-tena ho manana ny marina ka manakana na mandrava ny asan’ny hafa. Raha azontsika aseho ny maha diso azy dia ho azo atao izany, nefa tokony hatao am-piheverana sy am-pitiavana. Mora ny mijery ny sombin-kazo izay eo amin’ny mason’ny sasany, fa sarotra ny mahita ny eo amin’ny tena. Fa hoy Jesosy taminy: « …fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo. » (and.50)
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona hanao tsinontsinona ny hafa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe