Alakamisy 19 Desambra 2024
Jakoba 4.1-10
Ny toe-panahy manetry tena:
1- Miseho amin’ny fifandraisana amin’ny hafa.
Anisan’ny toetra tokony ho hita taratra eo amin’ny fiainan’ny mpino amin’ny andavanandro sy amin’ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona ny fahaizana manetry tena. Ny fitiavan-tena tafahoatra anefa no fositra manimba ny fifandraisana amin’ny hafa, ka tsy ahaizana manetry tena. Fa avy amin’izany no javian’ny ady sy ny fifandirana, ny fitsiriritana, ny fijangajangana, ny fiavonavonana, ny fialonana (and. 1,2,3,6). Mampalahelo tokoa raha sanatria misy toe-javatra toy izany eo amin’ny fifandraisan’ny samy kristiana. Ny olon’izao tontolo izao mantsy no miaina amin’izany. Izany no antony ampahatsiahivana indray eto hoe: »… Tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy. »(and.4).
2- Toe-panahy manaiky an’Andriamanitra.
Ny fifandraisana marina amin’Andriamanitra dia midika ho fanekena Azy, fanarahana an-tsakany sy an-davany ny sitrapony amin’ny fanetren-tena rehetra. Zavatra roa no takiana amin’ny mpino mba hananany fifandraisana marina amin’Andriamanitra, ka ny voalohany amin’izany dia ny fanoherana ny fakam-panahy ataon’ny devoly: « Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy (and.7); ary ny faharoa izay tsy afa-misaraka amin’izany dia ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fibebahana, mba hananana fahadiovam-po: « Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. »(and.8,9,10)
Fanontaniana:
Mody manetry tena ilay olona, kanefa hay midoka tena! Hazavao
Sampana Sekoly Alahady Foibe