Talata 17 Desambra 2024

Genesisy 32. 10-13

Ny olona mitady fihavanana

1- Mitadidy ny teny fampanantenan Andriamanitra

Tsapan’i Jakoba ny fahadisoana nataony tamin’i Esao rahalahiny, ary efa niomana ny hifona sy hihavana aminy izy. Na dia teo aza anefa ny tetika rehetra nomaniny mba hahatanteraka izany dia try natoky tena izy fa niantoraka tamin’Andriamanitra sy nila vonjy taminy. Amin’ny tonom-bavaka nataony no ahitana ny halehiben’ny fanetren-tena nananany. Nitadidy sy nametraka ny fahatokiany ny Teny izay nambaran’ny Tompo taminy izy. « E! Andriamanitr’i Abrahama raiko, sady Andriamanitr Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao dia hanao soa aminao Aho… Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany (and. 10:13)

2- Mitady famonjena avy Aminy

Na dia nanana fananana be sy antokon’olona maro nomba azy sy afaka hiaro azy aza izy, sady nanana paika sy tetika samihafa mba hihavanana amin’i Esao, dia tsy nahafaka ny tahotra sy ny tebitebiny izany. Andriamanitra irery no azony antoka hampitony azy ka hoy izy: « O vonjeo aho amin’ny tanan’ny rahalahiko, dia amin’ny tànan’i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin’ny vadiko aman-janako izy. »(and.12). Eto no ilazantsika fa Andriamanitra irery ihany no mpamonjy azo antoka, mahafaka ny adin-tsaina sy ny olana saro-bahana. Izay rehetra miantoraka Aminy no hahazo fitoniana. Manamarina izany ny tenin’ny mpanao Salamo hoe: « Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. (Sal 55.22)

Fanontaniana:

Atao ahoana ny mampihavana olona mifampifahavalo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 22. Advento IV
Genesisy 3. 9–15 | Lioka 9. 46–50 | Romana 16. 17–20

| | 25. KRISMASY
Mika 5. 1–5 | Matio 1. 18–25 | Filipiana 2. 1–11

| | 29. Ala. man Krismasy - Fiantsoana - SeFaLa
Salamo 2. 7–12 | Matio 23. 1–12 | Hebreo 1. 5–14

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23