Alatsinainy 16 Desambra 2024

2Korintiana 10.1-11

Fomba hiatrehana ireo fahavalon’ny Filazantsara

Tsy ny olona rehetra akory no faly tamin’ny asa fitoriana ny Filazantsara notanterahin’i Paoly, fa nisy koa ireo nanenjika sy nanevateva azy. Ahoana no nasetriny izany?

1- Mananatra amin’ny halemem-panahy

Misy ny fotoana tokony hitenenana, indrindra rehefa hita fa mety hanimba ny Fiangonana sy hanaisotra ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy ao am-pon’ny olona ireny fanenjehana sy fanaratsiana ireny. Hoy i Paoly mamaly izany: « Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’i Kristy… (and.1). Ny halemem-panahy sy ny hamoram-pon’i Kristy no isalorany fa tsy ny toe-pony amin’ny maha olona azy. Na dia nanenjika sy nanao tsinontsinona an’i Jesoa aza mantsy ny mpanota, dia hainy hatrany ny naneho fitiavana sy halemem- panahy. Nekeny hatramin’ny fahafatesana aza, mba hamonjena ny mpanota. Io fanetren-tena io dia nampiavaka an’i Paoly tamin’ny hafa, satria noheverina ho fahalemeny, ka nahatonga ny mpino sasany hisalasala ny amin’ny maha Apostoly azy.

2- Miasa miaraka amin’ny herin’ Andriamanitra

Ary satria nisy tamin’ireo olona no tsy nanaiky ny fahefana maha Apostoly Azy; ka izany no nahatonga an’i Paoly hanazava ny iraka ampanaovin’ny Tompo sy ny fahefana nomena azy, ary ny fahavononany hahatanteraka izany. Hoy izy: « …fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy… ary vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra izahay, reheja tanteraka ny fanarahanareo (and.4-6) Asehony amin’izany fa ny Tenin’Andriamanitra no fiadiana mahery entiny handrava ny fisainana rehetra manohitra ny fahalalana an’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona no vahaolana arosonao manoloana ny fisian’ny olona sasany fatra-panenjika ny mpitondra fivavahana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 22. Advento IV
Genesisy 3. 9–15 | Lioka 9. 46–50 | Romana 16. 17–20

| | 25. KRISMASY
Mika 5. 1–5 | Matio 1. 18–25 | Filipiana 2. 1–11

| | 29. Ala. man Krismasy - Fiantsoana - SeFaLa
Salamo 2. 7–12 | Matio 23. 1–12 | Hebreo 1. 5–14

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23