Alatsinainy 09 Desambra 2024

Isaia 6. 1-8

Ny mpino manoloana ny voninahitr’Andriamanitra

Nanaiky ho irak’Andriamanitra i Isaia rehefa nahita ny voninahiny. Tsy maintsy nanetry tena sy niaiky ny maha-mpanota azy izy mba ahazoany ny famelan-keloka hahafahany manatanteraka ny iraka rehetra.

1- Miaiky fa mpanota

Rehefa nahita ny fiandrianan’Andriamanitra tao amin’ny tempoly i Isaia dia nahatsiaro tena sy niaiky tokoa fa tena mpanota; monina sy mitoetra eo amin’ny firenena mpanota ka miombona fahotana amin’ny mpiray firenena aminy. Masina Andriamanitra ka tsy mankasitra ny fahotana, te hamonjy ny olona, te hanafaka ny olona amin’ny fatoran’ny fahotana Izy. Ny olona mahatsapa ny fahamasinany dia manetry tena sy miaiky fa mpanota eo anatrehany.

2- Mandray famelan-keloka

Rehefa niaiky ny fahotany i Isaia, dia nandray an-tanana ny fiainany manokana Andriamanitra. Naniraka ny anjeliny indray Izy. lo iraka io no nitondra fanadiovana ny vavany, dia ilay molotra maloto nolazainy. Eto dia miavaka ny fanadiovan’ Andriamanitra: vainafo avy eo amin’ny alitara no natehina ny vavany, niaraka tamin’ny teny fanomezan-toky fa izany no fanadiovana ho famelan-keloka: «afaka ny helokao ary voavela ny fahotanao». Rehefa miaina amin’ny fanetren-tena sy tsy manafina ny fahotany eo amin’ Andriamanitera ny olona dia mandray ny fanadiovana avy Aminy; rehefa izany dia mamaly ny antso ho amin’izay anirahany.

Fanontaniana:

Olona manao ahoana no fidin’ Andriamanitra sy irahiny hanao ny asany, hanambara ny Teniny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23

| | 05. Ala. EPIFANIA
Deo. 10. 12-19 ; Mat. 23. 16-28 ; Heb. 8. 1-6

| | 12. Ala. I ma . Epifania
2 Tan. 20. 5-9 ; Mat. 5. 33-37 ; Heb. 12. 1-3

| | 19. Ala. Il man. Epifania - FFKM
Isa. 66. 1-2 ; Jao. 2. 1-12 ; Asa 7. 44-50