Sabotsy 07 Desambra 2024

Mpitoriteny 2. 4-11

Manetre tena fa zava-poana ny ezaka ataonao

Zava-poana ny fiainana eto an-tany. Noho izany dia mahaiza manetry tena ka hibanjina ny any an-danitra.

1- Tsy mahasoa ny zavatry ny tany

Voatanisa eto ny ezaka rehetra nataony mba hananany fiainana miavaka: nanao trano, nanao tanimboaloboka, fambolena isan- karazany, fiompiana samihafa, nanangona harena sarobidy. Raha jerena amin’ny lafiny ara-toe-karena dia tsy nanan-java-mahory izy, feno ny filana maha olona rehetra, sady manana ny anjara- toerana maha izy azy tao anatin’ny fiaraha-monina. Saingy rehefa nandinika ny tena fiainana izy dia nahatsapa ka niteny hoe: «tsy nisy nahasoa taty ambany masoandro» (and.11). Mahaiza manetry tena, aza mifikitra loatra amin’ny zavatry ny tany fa tsy mahasoa izany, mora miova.

2- Banjino ny tena fiainana

<<Kanefa rehefa nitodika aho nandinika ny asako rehetra» izany hoe nijery tamin’ny antsipiriany, nijery akaiky tokoa, dia nandray fanapahan-kevitra fa tsy ny fikatsahana ny eto an-tany no tokony handaniana ny andro. Misy ny tena fiainana voaoman’ Andriamanitra ho an’ny olombelona mino sy manaiky Azy. Izany no tokony hironan’ny fo sy ny saina. Fanetren-tena, fanafoanana ny ezaka nataony tety an-tany fa fiezahana kosa ho amin’ny finoana sy fatokiana fa misy ny tena fiainana ao amin’Andriamanitra. Tsy azo ianteherana ny fiainana eto an-tany. Ao amin’Andriamanitra no tena harena sy fiainana maharitra, manetre tena mba hitoetra eo Aminy mandrakariva.

Fanontaniana:

Inona no toromarika omenao amin’ireo fatra-pifikitra amin’ny zavatry ny tany ka manadino an Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 22. Advento IV
Genesisy 3. 9–15 | Lioka 9. 46–50 | Romana 16. 17–20

| | 25. KRISMASY
Mika 5. 1–5 | Matio 1. 18–25 | Filipiana 2. 1–11

| | 29. Ala. man Krismasy - Fiantsoana - SeFaLa
Salamo 2. 7–12 | Matio 23. 1–12 | Hebreo 1. 5–14

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23