Alatsinainy 02 Desambra 2024

Asan’ny Apostoly 8. 26-40

Ny olona manetry tena

1-Manaiky ho irak’Andriamanitra (and.26-29)

Filipo no nantsoin’ Andriamanitra, nirahina mba hanao asa manokana. Andriamanitra no namaritra ny lalana izorana sy naneho azy ny asa fanompoana tokony hotanterahiny. Nanaiky notarihin’ny Fanahy tokoa i Filipo. Ny mpino mahay manetry tena dia izay manaiky tarihin’ny Fanahy Masina; tsy miady hevitra manoloana ny iraka anirahan’ Andriamanitra azy; mino sy manaiky fa manana ny tanjona ho amin’ny fiainan’ny olona irahiny ny Tompo Andriamanitra.

2- Mangetaheta fampianarana

Olona manana ny maha izy az; tao amin’ny fireneny ilay lehilahy Etiopiana. Na dia nanan-karena sy nanana andraikitra ambony aza izy dia nahatsapa fahabangana, ka tonga nivavaka tany Jerosalema, tsy nionona tamin’izany fa namaky sy nandinika ny Tenin’Andriamanitra na dia efa an-dalana mody aza. Mazava tsara ny teniny hoe: «ataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?» Fanetren-tena mampitombo ho amin’ny fahalalana an’Andriamanitra izany.

3- Mandray famonjena

Rehefa nandray ny fampianarana sy ny fanazavana ny Tenin Andriamanitra nataon’i Filipo izy dia niroso lalina hatrany. Resy lahatry ny famonjena notanterahin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izy. Nanetry tena izy ka nandray ny famonjena tamin’ny fanaovana azy batisa. Izy mihitsy no nanapa kevitra mba hatao batisa: «.. indro rano, ka inona moa mo misakana ahy tsy hatao batisa» (and.36)

Fanontaniana:

Inona no sakana tsy ahafahan’ny olona ambony manetry tena? Inona no tombotsoa azon’ny manetry tena?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 29. Ala. man Krismasy - Fiantsoana - SeFaLa
Salamo 2. 7–12 | Matio 23. 1–12 | Hebreo 1. 5–14

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23

| | 05. Ala. EPIFANIA
Deo. 10. 12-19 ; Mat. 23. 16-28 ; Heb. 8. 1-6

| | 12. Ala. I ma . Epifania
2 Tan. 20. 5-9 ; Mat. 5. 33-37 ; Heb. 12. 1-3