Alakamisy 24 Oktobra 2024
Hebreo 6.1-6
Anankiray amin’ny antsoina hoe epistily katolika (izany hoe natao ho an’ny rehetra, fa tsy ho an’olona voatsonga manokana) ity ho an’ny Hebreo ity. Mitaona antsika àry ny Soratra Masina eto hahatakatra fa:
1. Tokony handroso ho amin’ny lalina isika (and 1)
« Koa aoka hilazaontsika ny abidiam-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka hiroso ho amin’ny tanteraka isika… » hoy ny Soratra Masina. Tian’ny mpanoratra hazava amintsika fa tsy tokony hijanona ho zaza omena ronono hatrany amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy isika, ka tsy hitombo fa hianona fotsiny amin’izao, fa tokony handroso ho afaka mitsako kitoza kosa. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao, raha oharina amin’ny fanaovan-trano, dia tsy tokony hijanona amin’ny fototra fotsiny, fa hampiakatra ny rindrina, ny rihana, hametaka varavarana, handoko…
2. Tsy miverin-dalana manota intsony isika (and 4-6)
« Fa izay nohazavaina indray mandeha … nefa mihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana satria nanombo ny zanak’Andriamanitra indray tamin’ny hazofijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. » Mampieritreritra ireto andininy ireto, fa mampita amintsika mihitsy hoe, ny fiverenana indray amin’ny fahotana kanefa efa mahalala izao fa tsy mety izany dia mahavery antsika, ary mampatahotra aza, satria tsy ny olona tsy mahalala akory ny voaresaka eto, fa ny olona efa nandray an’i Jesoa, dia niroso tamin’ny lalana, kanefa nitankemotra. Mavesatra dia mavesatra mihitsy ny hoe, nanombo indray ny zanak’Andriamanitra amin’ny hazofijaliana. Tsarovy izany, fa isaky ny manota ianao, indrindra moa efa fantatra izao fa ratsy nefa ikirizana dia mamantsika an’i Jesoa, ary toa mamerina Azy hampahoriana indray! saino ihany ny atao!
Fanontaniana
Manao ahoana ny fandrosoanao sy ny tsy fiverenan-dalanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe