Alatsinainy 7 Oktobra 2024

Genesisy 32. 25-31

Ny olona miatrika ady

1. Havaozin’Andriamanitra

<< Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’Andriamanitra…. » (And.29)

I Jakoba ilay sady mpandova ny teny fampanantenana no fetsy sy mpamitaka. Mba hahafahan’Andriamanitra mamonjy sy mitsodrano azy, dia tsy maintsy nopotehina io toetra ratsy taloha io. Ka ny tolona izay natao no nahatonga an’i Jakoba ho voadio ary nomena anarana « Israely » izay tsy manana hery afa-tsy avy amin’Andriamanitra. Araka izany, tsy mora ny iainana ny fanavaozana ataon’Andriamanitra ka izay mandresy ao anatin’izany no tonga olom-baovao. Ka izay rehetra mandray ny fanavaozana avy amin’i Kristy dia tsy maintsy miatrika ady. Aoka ho mpandresy amin’ny ady ianao.

2. Mahatsiaro ny famonjen’Andriamanitra

<< Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Jakoba hoe Peniela… » (And. 31)

Fomba fisainana tamin’izany, ary nampianarina ny Zanak’Isiraely fa izay mahita ny tavan’ Andriamanitra dia maty (Eks.23. 20). Rehefa avy nandray ny tsodrano anefa i Jakoba vao fantany fa Andriamanitra no nitolona taminy. Izany no nahatonga azy nanao ny anaran’izany toerana izany hoe « Peniela » izay midika « tavan’ Andriamanitra ». Tsaroany ny nifanatrehany tamin’ Andriamanitra nefa tsy maty izy. Famonjena lehibe izany. Araka izany, tsarovy ny famonjena lehibe nataon’Andriamanitra taminao, indrindra ny namonjeny antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Na dia niatrika ady sarotra aza dia novonjen’Andriamanitra.

Fanontaniana

Inona ireo fahatsiarovana ny famonjen’Andriamanitra anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 22. Advento IV
Genesisy 3. 9–15 | Lioka 9. 46–50 | Romana 16. 17–20

| | 25. KRISMASY
Mika 5. 1–5 | Matio 1. 18–25 | Filipiana 2. 1–11

| | 29. Ala. man Krismasy - Fiantsoana - SeFaLa
Salamo 2. 7–12 | Matio 23. 1–12 | Hebreo 1. 5–14

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23