Zoma 27 Septambra 2024

Eksodosy 4. 27-31

Miorina amin’ny finoana ny mpino

1- Noho ny famantarana

Izay voalaza eto amin’ity Soratra Masina ity dia ny fiverenan’i Mosesy ho any Egypta sy ny nanehoan’Andriamanitra fahagagana teo aminy. Nambarany tamin’i Arona izany, indrindra ny famantarana izay nasehon’ Andriamanitra taminy. Io famantarana io no niorenany; ka na eo aza izay noheveriny ho lalan-tsarotra tsy maintsy atrehiny amin’izao fiveranana any Egypta izao dia nino izy fa miaraka aminy hatrany Andriamanitra. Ry havana, ianao koa dia mety handia lalan-tsarotra eo amin’ny fiainana; matokia fa ny Tompo dia haneho famantarana mba iorenan’ny finoanao. Mahereza fa misy foana ny mpiara-miasa hanampy anao amin’izay iraka tsy maintsy tanterahinao. Ampioreno mafy ny finoana, herezo hatrany, izy hialoha anao, tsy handao na hahafoy anao.

2- Noho ny fankatoavana

Tsy hoe notazonin’i Mosesy ho azy samirery ny famantarana izay naseho azy fa nolazainy sy nambarany tamin’ny zanak’Israely koa, eny teo imason’ny olona rehetra aza. Dia nino ny olona noho ny famangian’i Jehovah azy ireo; niondrika sy niankohoka ho mariky ny fankatoavana an’Andriamanitra. Sambatra tokoa izay tsy nahita nefa mino. Fiainan’ny Kristianina mino an’i Jesoa Kristy ny fiainam-pakatoavana, ary hanehoana koa ny fiorenana ao amin’ny Tompo. Ry havana, satria mino ianao; mahaiza mankato, mahereza fa momba anao ny Tompo.

Fanontaniana:

Inona no vokatra azonao amin’ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024/2025

Desambra: MANETRY TENA NY MPINO

| | 22. Advento IV
Genesisy 3. 9–15 | Lioka 9. 46–50 | Romana 16. 17–20

| | 25. KRISMASY
Mika 5. 1–5 | Matio 1. 18–25 | Filipiana 2. 1–11

| | 29. Ala. man Krismasy - Fiantsoana - SeFaLa
Salamo 2. 7–12 | Matio 23. 1–12 | Hebreo 1. 5–14

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 01. TAOM-BAOVAO
Deo. 11. 8-12 ; Mar. 1. 9-13 ; 1 Jao. 2. 20-23