Sabotsy 21 Septambra 2024

Jaona 9. 35-41

Niharan’ny fandrahonana sy herisetra ara-tsaina ity lehilahy izay nositran’i Jesoa ity. Asongadina eto anio ny finoana tian’i Jesoa iorenan’ny mpino:

1- Finoana mampahiratra (and 35-38)

Hoy Jesoa: « Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?… Efa nahita azy ianao, sady izay miresaka aminao izao no izy ». Tsy vitan’ny hoe nanasitrana ilay lehilahy teraka jamba i Jesoa, fa nanafaka azy tao anatin’ny gejan’ny aizina, sady mampiditra azy tanteraka ao anatin’ny fahazavan-tsaina sy ny finoana marina. Ry havana, tsy ny fanasitranana fotsiny no kendren’i Jesoa amin’ny fiainantsika fa izay tena kendreny dia ny hananantsika finoana Azy marina, hanafaka antsika amin’ny aizina ara-pinoana sy ara- tsaina; hanafaka amin’ny faharatsiana rehetra, finoana hitondra antsika amin’ny firaisan’aina Aminy ka hampiditra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Hoy ihany ny Teniny: « …Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa hianareo » (Jao 8.36)

2- Finoana manafaka eo anoloan’ny fitsaran’ Andriamanitra

Ireo Fariseo dia tena nanana finoana tokoa, nihevi-tena fa mahiratra mihitsy. Saingy ny vokatry finoan’izy ireo sy izay heveriny ho fahiratana eto dia herisetra, fanilikilihana ny hafa, avonavona, fanevatevana izay tsy mitovy hevitra aminy (and 24- 26). Tsy afaka hanamarin-tena eo anoloan’i Jesoa izy ireo. Tandremo ry havana, fandrao ho tahaka izany isika, ka hihevitra ho manam-pinoana an’Andriamanitra nefa ny toe-tsaina sy ny ataontsika dia mifanohitra amin’ny sitrapony. « Ny voa, no hahafantaranareo azy » (Mat 7. 16).

Fanontaniana:

Mitondra inona ho anao sy ny manodidina anao ny finoana anananao ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024