Alakamisy 19 Septambra 2024

Jeremia 20, 7-13

« Fa ianao Jehovah Tompon’ny maro ô, izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo … Fa aminao no efa nanankinako ny adiko » (and 12)

Ry mpihazakazaka ô! Mahereza!

1- Na eo aza ireo mpanenjika mikasa handavo anao

Maro ireo fitarainana entin’i Jeremia eo amin’ny Tompo, Ilay niantso sy nifidy azy: « Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho », « izy rehetra dia maneso ahy » (and 7). « Fa ny tenin’i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isanandro (and 8 »; « Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorahana manodidina (and 10) »; « Izay tsara fihavanana amiko dia miandry izay ahalavoako (and 10) ». Hita araka izany fa natao daholo izay fomba rehetra hahakivy an’i Jeremia. Hita amin’ny fiandohan’ity toko faha roapolo ity fa nihatra tarnin’i Jeremia avokoa ny kapoka, ny famatorana tamin’ny bolokihazo (Jer 20, 2). Na teo aza izany rehetra izany dia mbola nanohy nampita ny hafatry ny Tompo i Jeremia, dia filazana ny loza mitatao amin’ny firenena. Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy izao faminaniana hita ato amin’ny bokin’i Jeremia izao mba ho fampitandremana izay miziriziry manohy ny ratsy fanao izay mitarika any amin’ny fahaverezana tanteraka. Mijoroa hatrany.

2- Ankino amin’ny Tompo ny adinao

« Fa aminao no efa nanankinako ny adiko »(and 12). Manoloana ireo fampahoriana sy fanenjehana mafy nanjo azy dia nila ho kivy i Jeremia. Toa naleony tsy nateraka akory (and14-15). Noho izy mifandray akaiky amin’ny Tompo dia tao aminy ihany ny fahatokiana sy fianteherana Aminy. Tsara ny miankina amin’ny Tompo. Ankino Aminy hatrany ny fanahianao rehetra.

Fanontaniana

Inona no tokony hatao manoloana ireo fahasarotana maro?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024