Talata 17 Septambra 2024

2 Korintiana 4, 12-15

Ny mpino miaritra fahoriana,

1- Miaina amin’ny finoana

« Satria manana izany fanahin’ny finoana izany izahay »(and 12a). Efa tsy zava-baovao eo amin’ny fiainan’ny mpino intsony ny fitondrana hazofijaliana sy ny fiaretana fahoriana. Miombona fijaliana amin’i Kristy ny mpino, miaritra fanenjehana, mandresy ny filan’ny nofo sy ny rehak’izao fiainana izao. Vao mainka mamelombelona ny fanantenan’ny mpino ireo zava-tsarotra samihafa mandalo eo aminy. Izany rehetra izany dia mampahatsiaro azy ny ady natrehan’i Jesoa, ny fijaliany ary indrindra ny fandreseny. Ireny zava-tsarotra samihafa ireny aza no tsikaritra fa varavarana misokatra mankany amin’ny fisandratan’i Jesoa Kristy. Ny fiainana amin’ny finoana dia hisedrana zava-tsarotra samihafa, izay matetika miafara amin’ny fahombiazana rehefa eo ny faharetana. Mitondra amin’ny fandresena ny finoana.

2- Mitondra fahasoavana ho an’ny maro

« Mba hitomboan’ny fisaorana, ho voninahitr’Andriamanitra noho ny fitomboan’ny fahasoavana amin’ny maro » (and 15). Rehefa miaina tsara amin’ny faharetana ny mpino ka manaiky hitondra ny hazofijaliana amin’ny fanantenana, miaritra fakam-panahy, mandresy ny filan’ny nofo; ary tsy mimonomonona fa misaotra amin’ny zavatra rehetra dia tonga filamatra ho an’ny hafa. Raha sanatria kosa izy manao mpitari-bato vilam-bava ka tsy mitondra tena tsara mifanaraka amin’ny Filazantsara, dia hitondra fahatafintohinana hoan’ny sasany. Fa sady mamelombelona ny finoana no mitondra fahasoavana hoan’ny hafa ny fandehanantsika mendrika ny Filazantsara. Mahasoa antsika izany, nefa koa mahatsara ny hafa, ary indrindra manome voninahitra Ilay Tompon’ny finoantsika.

Fanontaniana

Misy fiantraikany amin’ny hafa ny ataontsika. Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024