Alatsinainy 16 Septambra 2024

Filipiana 2, 12-18

Ny mpino vavolombelon’ny Tompo

1- Miasa amin’ny tahotra sy hovitra

« Miasà amin’ny tahotra sy hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo » (and 12d). Efa mizotra amin’ny famonjena ny mpino. Ilaina ny mihazona izany famonjena izany ka izao no atao: manatanteraka ny fanompoana amin’ny fifaliana, amin’ny fanantenana, amin’ny fanetren-tena. Sitrak’i Paoly ny hananan’ny Filipiana toetra mifanaraka amin’ny Filazantsara. Tsaroany mandrakariva fa izay atao rehetra dia hitan’ny Tompo, na izay atao any amin’ny takona, na izay atao miharihary. Mijery an’i Jesoa Kristy Tompon’ny finoantsika. Tsy miherikerika na manao asa zara fa vita, araka ny baiko hoe: « Tanteraho ny fanompoanao » (2Tim4,5). Tsy maintsy miasa amin’ny tahotra sy hovitra àry isika. Ny Ntaolo aza mahafantatra hoe; « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra antampon’ny loha ». Miasà amin’ny tahotra sy hovitra. Fantatry ny Tompo hatrany izay ataontsika rehetra.

2- Miala amin’ny fimonomononana sy ny fisalasalana

« Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana » (and14); Tena ilaina amin’ny fanompoana ny fanahin’ny fankatoavana. Tsy takatry ny sain’i Abrahama izay tian’ny Tompo hatao, fa nankato izy. Tsy takatry ny sain’i Noa ny ho tohin’ny baikon’ny Tompo fa nankato izy. Ireo zanak’ Israely izay matetika nimonomonona dia nahatezitra ny Tompo. Toy izany koa ny resaka fisalasalana, rehefa nisalasala i Jaona mpanao batisa ny hanatanteraka ny baikon’i Jesoa, dia hoy Jesoa taminy: « Ekeo ihany ankehitriny « (Mat 3, 15). Manatanteraka baiko isika ka mandeha amin’ny finoana.

Fanontaniana

Ahoana no handresena ny fanahiana sy ny fisalasalana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024