Alahady 15 Septambra 2024

Genesisy 35, 1-7

Ny mpino miorina amin’ny finoana

1- Mifandray tsara amin’ny Tompo

Niteny tamin’i Jakoba ny Tompo, nanome baiko azy mba handeha, hiakatra any Betela ary honina any. Nandidy an’i Jakoba mba hanorina Alitara any; nampahatsiaro an’i Jakoba fa Izy Tompo no niseho taminy fony Jakoba nandositra ny tavan’i Esao, Hita araka izany fa tena mandeha tsara ny fifandraisana eo amin’ny Tompo sy Jakoba. Ny Tompo miteny, Jakoba mihaino sy manatanteraka. Io fifandraisana akaiky tamin’ny Tompo io dia nitondra fahobiazana tamin’i Jakoba. Niaro azy tao amin’ny sarotra, nampahery azy. Ho anao koa, ataovy ho zava-dehibe ny fifandraisanao amin’ny Tompo. Amin’ny alalan’ny vavaka, amin’ny famakian-teny, amin’ny alalan’ny fihainoana ny baikony sy ny fankatoavana izany. Meteza isika hotarihan’ny Fanahy Masina hatrany.

2- Mitaona ny hafa, indrindra fa ny ankohonany.

« Dia hoy Jakoba tamin’izay tao an-tranony mbamin’izay rehetra nomba azy… » (and 2): Hita taratra amin’izao tenin’i Jakoba izao fa sady miantefa amin’ny akohonany ny hafatra no miantefa amin’izay nomba azy tsy an-kanavaka. Manana adidy hitory ny fitiavan’ny Tompo amin’ny manodidina isika. Tena fijoroana vavolombelona tokoa ny hahafahana mitory amin’izy ireny. Ao amin’io « Jerosalemantsika » io aza no tena ahafahana mizara fitiavana, fifandeferana, fihainoana, fifampizarana. Hoy i Paoly: « …Raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny Fiangonan Andriamanitra » (1Tim 3, 5). Ny fihetsika asehontsika amin’izy ireo no mahataona azy hiroso na hihemotra.

Fanontaniana

Inona avy ireo adidy miandry antsika mpino?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Septambra: MIORINA AMIN'NY FINOANA NY MPINO

| | 22. Ala. XVII man. Trinite - Sampanasa FFP
Eksodosy 4. 27–31 | Marka 5. 25–34 | Filemona 4–7

| | 29. Ala. XVIII man. Trinite
Genesisy 35. 9–15 | Matio 15. 21–28 | Jakoba 1. 1–4

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADINDRAMAMY – SP Antananarivo Atsinanana (12)

Production : FTV FJKM (c) Aôut 2024