Sabotsy 14 Septambra 2024
Galatiana 5.2-6
Tano mafy tsara ny fahafahana efa nomen’ny Tompo
1- Aza manaiky havarina ho andevo intsony:
« …Dia tafasaraka amin’i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ny lalana, efa lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo » (and 4). Maro ireo olona izay nanolo-tena ho an’ny Tompo rehefa nitoriana filazantsara. Misy ireo nilaza fa tsy maintsy forána araka ny lalan’i Mosesy aloha ireo olom-baovao ireo vao azo ekena ho isan’ny mpino. Niditra an-tsehatra i Paoly ka nanazava fa izay misafidy hiverina na hampiverina ny olona amin’ny fombafomba jiosy dia « mpitrosa tsy maintsy mankato ny lalana rehetra ». Izay misafidy hohamarinina amin’ny lalàna dia tsy maintsy miverina manaraka ny lalåna rehetra tsy an-kanavaka fa tsy ny sasantsasany ihany. Hoy Jesoa hoe: « Mankanesa aty amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalana, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo » (Mat 11, 28) Dikan-teny iombonana (DIEM).
2- Mandehana amin’ny fanahy sy finoana
« Fa izahay amin’ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana sy fahamarinana » (and 5); Ny finoana no amonjena antsika, « ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana ». Tsy nahatanteraka izay takian’ny lalana ilay jiolahy iray teo amin’ny Hazofijaliana, fa rehefa naneho ny finoany an’i Jesoa izy dia nambaran’i Jesoa taminy fa « hihaona amiko any am-paradisa ianao » (Lio 23, 43). Ilay didy ela dia nosoloin’i Jesoa didy vaovao. Ny mpino mandeha amin’ny Fanahy sy finoana dia mandeha amin’ny fitiavana, babon’i Kristy ka manaraka ny didiny; manana fanantenana miorina tsara handova fiainana mandrakizay.
Fanontaniana
Amin’ny fomba ahoana no hamonjena antsika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe